إعدادات العرض
Ny anjely dia tsy miditra amin'ny trano misy alika na sary
Ny anjely dia tsy miditra amin'ny trano misy alika na sary
Tatitra azo avy amin'i Abo Toalha (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny anjely dia tsy miditra amin'ny trano misy alika na sary."
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी ئۇيغۇرچە Kurdî Português සිංහල অসমীয়া Kiswahili አማርኛ ગુજરાતી Tiếng Việt Nederlands پښتو Hausa नेपाली ไทย മലയാളം Кыргызча Română Svenska Српски తెలుగుالشرح
Nampahafantatra ny Mpaminany (S.A.W) fa ny anjelin'ny famindram-po dia tsy miditra amin'ny trano misy alika na sarin'ny zavatra manan'aina. Izany dia satria ny sarin’ny zavatra misy fanahy : fahotana lehibe, ary misy fakana tahaka ny zavaboarin’I Allah, ary làlana iray ho amin'ireo fanompoan-tsampy, ary ny sasany amin’izany dia sarin’izay zavatra ivavahana ankoatran'I Allah. Ary ny amin'ny fandrarana ny trano izay misy alika, satria mihinana loto be izy, ary misy sasany amin'izy ireny antsoina hoe devoly; Ary ny anjely dia mifanohitra amin' ny devoly, Ary noho ny haratsian'ny fofon'ny alika; Halan’ny anjely ny fofona ratsy, ary satria voarara ny miompy azy; ka izay niompy azy dia voasazy noho ny tsy fidiran'ny anjelin'ny famindram-po ao an-tranony, tsy fanaovany vavaka ho azy, tsy fangatahany famelan-keloka sy fahasoavana ao an-tranony, ary voasazy amin'ny tsy fiarovan'ny anjely azy amin'ny fikasan-dratsin'ny Satana aminy.فوائد الحديث
Voarara ny manana alika, afa-tsy alika mpihaza, mpiambina na ampiasaina amin'ny fambolena.
Ny fakana sary dia anisan’ny zavatra ratsy maharikoriko ny anjely, ary ny fisian’izy ireo eo amin’io toerana io no mahatonga ny tsy fisian'ny famindram-po, ary toy izany koa ny alika.
Ny anjely izay tsy miditra amin’ny trano misy alika na sary dia ireo anjelin’ny famindram-po, fa ny mpiambina sy ny hafa izay manana anjara asa toy ny anjelin’ny fahafatesana kosa miditra ao amin’ny trano rehetra.
Voarara ny manantona sarin'ny zavatra manan'aina eo amin'ny rindrina sy ny toerana hafa.
Nilaza i Khattabi : Ny trano tsy idiran'ny anjely dia ny trano misy sary sy misy alika izay tsy azo ompina, fa tsy voarara kosa ny alika mpihaza, ilaina amin'ny voly, miandry ny biby fiompy ary ny sary ampiasaina amin’ny tsihy, ondana, ary zavatra hafa, dia tsy manakana ny fidiran'ny anjely izy ireny.