izany dia lalan-drà izany, fa atsaharo ny fivavahana Soalat mandritry ny andro naha-fadim-bolana anareo, dia avy eo mandroa ary mivavaha”

izany dia lalan-drà izany, fa atsaharo ny fivavahana Soalat mandritry ny andro naha-fadim-bolana anareo, dia avy eo mandroa ary mivavaha”

Tatitra azo avy tamin'i Aicha Renin'ny mpino silamo (R.A), niteny fa nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) i Fatima Binti Abi Hobaishi manao hoe : Tonga fotoana foana aho ka tsy madio, Ka hijanona tsy hivavaka ve aho? Dia hoy izy namaly: “Tsia, izany dia lalan-drà izany, fa atsaharo ny fivavahana Soalat mandritry ny andro naha-fadim-bolana anareo, dia avy eo mandroa ary mivavaha”.

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Nanontany ny Mpaminany i Fatima binti Hobayshi manao hoe : "Tsy mijanona ny ràko ary mitohy izany na dia tsy tonga fotoana aza aho. Ka moa ve izany mitovy amin'ny lalànan'ny fadimbolana ihany ka hajanoko ny soalat? Hoy ny Mpaminany (S.A.W) taminy hoe : io dia rà istihàdha, rà aretina, vokatry ny fahatapan’ny lalan-drà ao amin`ny tranonjaza, fa tsy rà tonga fotoana. Raha tonga ny fotoana fadim-bolana, araka ny fanaonao isam-bolana talohan’ny naharariana noho ny istihadha, dia avelao ny soalat, ny fifehezana, ary ny zavatra hafa tsy azon’ny vehivavy tonga fotoana hatao amin’ny fotoanan’ny fadim-bolana. Rehefa tapitra io fe-potoana io dia ho madio amin’ny fadim-bolana ianao, koa sasao ny toerana misy ny rà, dia sasao avokoa ny vatanao mba hanesorana ny loto, dia mivavaha.

فوائد الحديث

Voadidy amin'ny vehivavy ny mandro rehefa tapitra ny andro fadim-bolana.

Tsy maintsy mivavaka ny vehivavy tratry ny istihàdah.

Ny fadimbolana : dia rà voajanahary avoakan'ny tranonjaza any amin'ny fivavian'ny vehivavy ampy taona, ary tonga aminy izany mandritry ny andro voafaritra.

Ny istihàdah : dia fikorianan'ny rà tsy ara-potoana avy any ambanin'ny tranonjaza.

Ny maha samy hafa ny rà tonga fotoana sy ny rà istihàdah: Ny rà tonga fotoana dia mainty, matevina, ary misy fofona maimbo, ny rà istihàdah kosa dia mena manify ary tsy misy fofona maimbo.

التصنيفات

Fadimbolana sy ny fiterahana ary istihaadah