إعدادات العرض
“Rehefa manao Ozo ny iray aminareo, dia aoka izy hampiditra izany any amin’ny orony, ary avy eo havoakany, ary izay manao ny istijmàra (mifitra amin'ny vato sns...), dia aoka hataony telo
“Rehefa manao Ozo ny iray aminareo, dia aoka izy hampiditra izany any amin’ny orony, ary avy eo havoakany, ary izay manao ny istijmàra (mifitra amin'ny vato sns...), dia aoka hataony telo
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Rehefa manao Ozo ny iray aminareo, dia aoka izy hampiditra izany any amin’ny orony, ary avy eo havoakany, ary izay manao ny istijmàra (mifitra amin'ny vato sns...), dia aoka hataony telo, ary rehefa mifoha amin’ny torimasony ny anankiray aminareo, dia aoka izy hanasa tànana alohan’ny handraisany ny rano hanaovany ozo, fa tsy misy aminareo mahalala ny toerana nipetrahan'ny tanany tamin'ny alina. Araka ny hadith-n'i Moslim : “Raha mifoha amin’ny torimasony ny iray aminareo, dia aza atsoboka ao anaty siny ny tànany mandra-panasany azy intelo, satria tsy fantany ny toerana nisy ny tanany nandritra ny alina.”
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Tiếng Việt සිංහල ئۇيغۇرچە Hausa Português Kurdî Kiswahili Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá ไทย پښتو অসমীয়া دری Кыргызча or नेपाली Română Kinyarwanda తెలుగు Lietuvių Oromoo മലയാളം Nederlands Soomaali Shqip Српски Deutsch Українська ಕನ್ನಡ Wolof Moore ქართული Azərbaycan Magyar தமிழ் Македонскиالشرح
Nanazava ny ampahany amin'ireo lalàna momba ny fahadiovana ny Mpaminany (S.A.W), ao anatin'izany ny: Ny voalohany : Izay midio (ozò) dia tokony hampiditra rano kely amin’ny orony no sady sotominy, avy eo mamoaka izany no sady manisina azy. Ny faharoa : Izay tia hanadio ny maloto mivoaka aminy ka hanala izany amin'ny zavatra hafa ankoatra ny rano, toy ny vato sy izay rehetra mitovy aminy, dia tokony ho diovina amin'ny isa tokana , ka ny kely indrindra amin'izany dia telo ary ny habetsaka indrindra dia izay mahafaka ilay loto sy mampadio azy. Ny fahatelo : Izay mifoha amin’ny torimaso alina dia tsy tokony hampiditra ny felatànany ao anatin’ny siny rehefa hanao ozò raha tsy efa nanasa intelo ny tanany ivelan’ny siny, satria tsy fantany izay nisy ny tanany tamin'ny alina, ka tsy ho azony antoka ny fahadiovany, ary mety ho nilalaovin'ny Satana ny tanany ka nitondrany zavatra manimba ny olona na manimba ny rano.فوائد الحديث
Tsy maintsy manao "istinshak" eo amin'ny ouzou, izany hoe : mampiditra rano amin'ny orona miaraka amin'ny fofonaina, ary tsy maintsy manao "istinsar", izany hoe : mamoaka rano avy amin'ny orona miaraka amin'ny fofonaina.
Tsara ny manao Istijmàr amin'ny isa tsitokatokana.
Ny maha ari-fomba islamika ny manasa tanana in-telo rehefa avy natory amin’ny alina.