“Eny tokoa, anisan’ny olona ratsy indrindra dia ireo izay tratran’ny fahavelomana amin'ny ora farany, sy izay mandray ny fasana ho toeram-pivavahana”

“Eny tokoa, anisan’ny olona ratsy indrindra dia ireo izay tratran’ny fahavelomana amin'ny ora farany, sy izay mandray ny fasana ho toeram-pivavahana”

Tatitra avy tamin'i Abdollahi Bin Massod (R.A) ; Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Eny tokoa, anisan’ny olona ratsy indrindra dia ireo izay tratran’ny fahavelomana amin'ny ora farany, sy izay mandray ny fasana ho toeram-pivavahana”.

[Hasan/Sound.] [Ahmad]

الشرح

Milaza ny Mpaminany (S.A.W) momba ny olona ratsy indrindra, dia ireo tratran'ny fahavelomana amin'ny ora farany, sy ireo olona mandray ny fasana ho toeram-pivavahana, ka mivavaka eo aminy sy mangataka aminy .

فوائد الحديث

Fandrarana ny fananganana moske eo ambonin'ny fasana; Satria izany dia làlana mitarika ho amin'ny fanompoan-tsampy.

Fandrarana ny fivavahana any am-pasana, na dia tsy misy trano aza; Satria ny moske dia anaran'ny toerana fiankohofana, eny na dia tsy misy trano aza.

Izay mandray ny fasan’ny olo-mendrika ho moske hivavahana dia anisan’ireo zavaboary ratsy indrindra, na dia mihevitra aza izy fa ny hanatona bebe kokoa an’I Allah Tsitoha no fikasany amin'izany.