إعدادات العرض
Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy, Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy, Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy - in-telo - ", Tsy misy iray amintsika afa-tsy (tafapetra ao am-pony zavatra amin'ny finoanoam-po), fa Allah Ilay Tsitoha anefa nanaisotra izany amin'ny alalan'ny fahatokisana
Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy, Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy, Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy - in-telo - ", Tsy misy iray amintsika afa-tsy (tafapetra ao am-pony zavatra amin'ny finoanoam-po), fa Allah Ilay Tsitoha anefa nanaisotra izany amin'ny alalan'ny fahatokisana
Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi bin Massodi (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy, Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy, Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy - in-telo - ", Tsy misy iray amintsika afa-tsy (tafapetra ao am-pony zavatra amin'ny finoanoam-po), fa Allah Ilay Tsitoha anefa nanaisotra izany amin'ny alalan'ny fahatokisana.
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Tiếng Việt Hausa Kurdî Kiswahili Português සිංහල Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá ئۇيغۇرچە ไทย پښتو অসমীয়া دری Кыргызча or नेपाली Kinyarwanda తెలుగు Lietuvių Oromoo Română മലയാളം Nederlands Soomaali Српски Українська Deutsch ಕನ್ನಡ Wolof Mooreالشرح
Nampitandrina ny amin'ny finoanoam-poana ny Mpaminany (S.A.W), satria izy io dia finoana zavatra re na hita, na vorona na biby, olona manana fahasembanana, na isa, na andro, na zavatra hafa ankoatr'izany. Nolazaina fotsiny ny vorona eto satria izany no fanta-daza tamin'ny andron'ny habadoana, ary ny fiaviany dia ny famotsorana ilay vorona rehefa manomboka hanao zavatra iray toy ny fandehana-davitra, varotra, na zavatra hafa; ka raha nanidina tany ankavanana dia velom-panantenana ary miroso amin'ny zavatra tiany hatao, ary raha nanidina miankavia izany, dia raisiny ho fambara-ratsy ka manatsahatra ilay saika hataony izy. Nilaza izy fa fanompoan-tsampy izany, ary ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy; Satria tsy misy mitondra soa afa-tsy Allah, ary tsy misy mahatohitra ny ratsy afa-tsy Allah irery ihany, izay tsy manana mpiombona miaraka Aminy. Nilaza i Ibn Masod (R.A) fa mety hilatsaka ao am-pon'ny mpino silamo ny finoanoam-poana, saingy tsy maintsy misoroka izany izy amin'ny alàlan'ny fianteherana sy fitokisana an'I Allah, miaraka amin'ny fandraisana andraikitra.فوائد الحديث
Ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy; Satria mahatonga ny fo hifikitra amin’nyzavatra hafa ankoatra an’I Allah.
Ny maha-zava-dehibe ny famerimberenana ny zavatra manan-danja, mba ho voatahiry sy hitoetra tsara ao am-po.
Ny finoanoam-poana dia esorin'ny fahatokiana sy fianteherana an’I Allah Ilay Tsitoha.
Voadidy ny amin'ny fianteherana amin’I Allah irery ihany sy hamatotra ny fo Aminy, Voninahitra anie ho Azy.