“Raha misy iray aminareo mifanena amin’ny rahalahiny, dia aoka izy hiarahaba azy, ka raha nisy hazo, na rindrina, na nampisaraka azy roa, ka nihaona aminy indray izy taorian'izany dia aoka hiarahaba azy ihany koa.”

“Raha misy iray aminareo mifanena amin’ny rahalahiny, dia aoka izy hiarahaba azy, ka raha nisy hazo, na rindrina, na nampisaraka azy roa, ka nihaona aminy indray izy taorian'izany dia aoka hiarahaba azy ihany koa.”

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Raha misy iray aminareo mifanena amin’ny rahalahiny, dia aoka izy hiarahaba azy, ka raha nisy hazo, na rindrina, na nampisaraka azy roa, ka nihaona aminy indray izy taorian'izany dia aoka hiarahaba azy ihany koa.”

[Mari-pototra] [Notantarain'i Abo Daòd]

الشرح

Mamporisika ny mpino silamo ny Mpaminany (S.A.W), mba hiarahaba ny mpino silamo rahalahiny isaky ny mifankahita aminy, na dia eny am-pandehanana aza izy roa ary misy zavatra nanelanelana azy, toy ny hazo, rindrina, na vato lehibe, avy eo dia nihaona aminy indray izy taorian'izany, dia aoka izy hiarahaba azy indray.

فوائد الحديث

Tsara ny manaparitaka ny fiarahabana, ary mamerina izany isaky ny miova ny toe-javatra.

Ny ezakan'ny Mpaminany (S.A.W) mafy amin'ny fanaparitahana ny fiarahabana sy ny fanitarana betsaka ny amin'izany. Satria mitondra firaiketam-po sy fifankahazoana eo amin'ny samy silamo izany.

Ny fiarahabana dia ny fitenena hoe : (Assalamo Alaikom - Ho aminao anie ny fiadanana) na (Ho aminareo anie ny fiadanana sy ny famindram-po ary ny fitahiana avy amin’I Allah), ankoatry ny fifandraisan-tanana izay miseho amin’ny fihaonana voalohany.

Ny teny fiarahabana dia fangataham-pitahiana, ary ilain'ny mpino ny hisian'ny fifangataham-pitahiana eo amin'ny samy izy ireo, eny fa na dia miverimberina aza izany.

التصنيفات

Fahalalampomba amin'ny fiarahabana sy ny fierana