Rehefa hitanareo izy, dia mifeheza ianareo, ary raha hitanareo izy, dia tapaho ny fifehezana, fa raha manjavozavo aminareo ny andro, dia fenoy ny isa

Rehefa hitanareo izy, dia mifeheza ianareo, ary raha hitanareo izy, dia tapaho ny fifehezana, fa raha manjavozavo aminareo ny andro, dia fenoy ny isa

Tatitra azo avy tamin'i Ibn Omar (R.A) niteny izy : Izaho nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : "Rehefa hitanareo izy, dia mifeheza ianareo, ary raha hitanareo izy, dia tapaho ny fifehezana, fa raha manjavozavo aminareo ny andro, dia fenoy ny isa".

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Nanazava ny famantarana ny fiandohana sy ny fiafaran'ny volana Ramadany ny Mpaminany (S.A.W), ka hoy izy : Raha mahita ny tsinam-bolana Ramadany ianareo dia mifeheza, ary raha misy rahona manelanelana anareo sy izy ka hanarona anareo; dia fenoy telopolo andro ny volana Shaaban, ary rehefa hitanareo ny tsinam-bolana amin’ny volana Shawwal, dia mitsahara amin'ny fifehezana ianareo, ary raha misy rahona eo anelanelanareo sy izy, ka saron'izany ianareo amin'ny fahitana azy, dia fenoy telopolo andro ny volana Ramadany.

فوائد الحديث

Miantehitra amin'ny fahitana, fa tsy ny kajikajy, no hanaporofoana ny fiandohan'ny volana.

Ibn al-Mondhir dia nampita ny marimaritra iraisana fa tsy voatery ny fifehezana raha mifototra amin'ny kajikajy fotsiny ny fiandohan'ny volana Ramadany fa tsy misy fahitana.

Voadidy ny mameno ny volana Shaaban ho telopolo andro raha manakana ny fahitana ny volana Ramadany ny rahona na ny toy izany.

Ny iray volana -araka ny fanisana islamika- dia sivy amby roapolo andro, na telopolo andro.

Tsy maintsy mameno telopolo andro amin'ny Ramadany raha manakana ny fahitana tsinam-bolana Shawwal ny rahona na ny toy izany.

Izay amin'ny toerana tsy misy olona miandraikitra raharahan'ny mpino silamo momba ny fifehezana, na izay tsy niraharaha izany, dia tokony hifantoka ary hanamarina izany amin'ny olona izay miandraikitra amin'ny fahitana tsinam_bolana sy izay olona azony antoka; Koa amin'ny alàlan'izany no mifehy sy manapaka ny fifehezany izy.

التصنيفات

Ny fahitana volana