“Hitanareo ve fa raha nisy renirano teo am-baravaran’ny anankiray aminareo izay nandroany in-dimy isan’andro, moa ve sahy hilaza ianareo fa mbola tavela loto eo aminy

“Hitanareo ve fa raha nisy renirano teo am-baravaran’ny anankiray aminareo izay nandroany in-dimy isan’andro, moa ve sahy hilaza ianareo fa mbola tavela loto eo aminy

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A) niteny : Izaho dia nahare an'ilay Irak'allah (S.A.W) niteny manao hoe : “Hitanareo ve fa raha nisy renirano teo am-baravaran’ny anankiray aminareo izay nandroany in-dimy isan’andro, moa ve sahy hilaza ianareo fa mbola tavela loto eo aminy? Hoy izy : Tsy hisy loto tavela intsony eo aminy, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W): “Toy izany ny vavaka dimy isan’andro, izay hamafan’I Allah ny ota.”

[Sahih/Authentic.] [Muslim]

الشرح

Nampitovin'ny Mpaminany (S.A.W) tamin'ny renirano iray teo am-baravaran'ny olona iray ny vavaka dimy isan'andro sy ny alina amin'ny fanesorana sy fanafoanana ny ota madinika, ka tsy misy na inona na inona intsony mbola mitoetra aminy, na ny fahalotoany.

فوائد الحديث

Izany fahasoavana izany dia voatokana amin'ny fanalana ny ota madinika, fa ny amin'ny fahotana lehibe kosa dia tsy maintsy mibebaka amin'izany.

Ny hatsaran'ny fanaovana ny vavaka dimy isan'andro sy ny fitandremana azy eo amin'ny fepetra takina aminy, ny tototra ijoroany, ny tsy maintsy atao ao aminy ary ny Sonnah.