“Didio hivavaka ny zanakareo rehefa feno fito taona, ary kapohy izy raha vao folo taona, ary saraho eo am-pandriany izy ireo”

“Didio hivavaka ny zanakareo rehefa feno fito taona, ary kapohy izy raha vao folo taona, ary saraho eo am-pandriany izy ireo”

Tatitra azo avy tamin'i Amro bin Shoaib, azony tamin'ny rainy sy raibeny niteny : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Didio hivavaka ny zanakareo rehefa feno fito taona, ary kapohy izy raha vao folo taona, ary saraho eo am-pandriany izy ireo”.

[Sahih/Authentic.] [At-Tirmidhi]

الشرح

Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa ny ray dia tsy maintsy mandidy ny zanany - lahy sy vavy - hivavaka rehefa feno fito taona, ary hampianatra azy ireo izay fahalalana ilainy amin'izany. Rehefa feno folo taona izy ireo, dia nitombo ny raharaha momba izany, ary kapohina izy noho ny tsy fanatanterahany izany, ary sarahina izy ireo eo am-pandriana.

فوائد الحديث

Fampianarana ireo ankizy momba ny finoana mialohan'ny ho tonga taona, ary anisan'ny tena zava-dehibe amin'izany ny Soalat.

Famaizana fa tsy fampijaliana no hikapohina azy ireo ka tokony ho kapohina amin’ny fomba sahaza ny tenany.

Ny lalàna (sharia) dia mifantoka amin'ny fitandroana ny voninahitra, ary manampona ny làlana rehetra mety hitarika amin'ny fahasimbana.