إعدادات العرض
“Tsy anisany miaraka amintsika izay mamely takolaka sy mandrovitra paosy ary miantsontso toy ny tamin'ny andron'ny tsy fahalalana”
“Tsy anisany miaraka amintsika izay mamely takolaka sy mandrovitra paosy ary miantsontso toy ny tamin'ny andron'ny tsy fahalalana”
Tatitra azo tamin'i Abdollahi Ibn Masondi (R.A) niteny : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy anisany miaraka amintsika izay mamely takolaka sy mandrovitra paosy ary miantsontso toy ny tamin'ny andron'ny tsy fahalalana”.
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी ئۇيغۇرچە Hausa Português Kurdî සිංහල Nederlands অসমীয়া Tiếng Việt Kiswahili ગુજરાતી پښتو Română മലയാളം Deutsch नेपाली Кыргызча ქართული Moore Magyar తెలుగు Svenska ಕನ್ನಡ Українська Македонски Kinyarwanda Oromoo ไทย Српски मराठी ਪੰਜਾਬੀ دری አማርኛ Wolofالشرح
Nandrara amin'ny ataon'ny olona talohan'ny finoana silamo ny Mpaminany (S.A.W) ka niteny manao hoe : Tsy anisany aminay: Ny voalohany : Iza mamely vatana, indrindra fa ny takolaka, satria izy no maro an'isa amin'izany, raha tsy izany dia tafiditra ao anatin'ny fandrarana ny mamely ny tavany. Ny faharoa : Mandrovitra ny akanjo mba hidiran'ny lohany noho ny tebiteby tafahoatra. Ny fahatelo : Nitalaho tamin’ny fitalahoan’ny olona talohan’ny finoana silamo toy ny fitalahoana loza, fandringanana, fitomaniana, ratra, sy ny hafa.فوائد الحديث
Io fampitandremana ao amin'ny hadith io dia manondro fa fahotana lehibe ireo asa ireo.
Voadidy ny manam-paharetana eo anatrehan’ny loza, ary voarara ny tsy faly amin’ny didim-pitsaran’I Allah izay mangotsika, ary maneho izany : amin’ny fidradradradrana, hiakihaka, fanapaham-bolo, fandrovitana, na hafa.
Voarara ny maka tahaka ny andron'ny tsy fahalalana amin'ny fanaovana izay tsy eken'ny lalàna.
Tsy misy maharatsy ny alahelo sy ny fitomaniana, satria tsy mifanohitra amin’ny faharetana amin’ny didin’I Allah izany, fa izy io dia famindram-po napetrak’I Allah ao am-pon’ny havana aman-tsakaiza.
Ny silamo dia tokony afa-po amin'ny sitrapon'I Allah, ary raha tsy afa-po izy dia ny faharetana no voadidy aminy.
التصنيفات
Resaka tsy fahalalana