إعدادات العرض
Izay miteny hoe : Soubou-hànalloahywa bihamidihy (Dera sy fisaoarana ho an'i Allah) in-jato isanandro, dia voafafa avokoa ny helony na dia tahaky ny rotran-dranomasina
Izay miteny hoe : Soubou-hànalloahywa bihamidihy (Dera sy fisaoarana ho an'i Allah) in-jato isanandro, dia voafafa avokoa ny helony na dia tahaky ny rotran-dranomasina
Tatitra azo avy tamin'i Abou Horairah (R.A), niteny i Mpaminany (S.W.A) nanao hoe : "Izay miteny hoe : Soubou-hànalloahywa bihamidihy (Dera sy fisaoarana ho an'i Allah) in-jato isanandro, dia voafafa avokoa ny helony na dia tahaky ny rotran-dranomasina".
[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी සිංහල Kurdî Hausa Português മലയാളം తెలుగు Kiswahili မြန်မာ ไทย Deutsch 日本語 پښتو Tiếng Việt অসমীয়া Shqip Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands ئۇيغۇرچە தமிழ் دری Fulfulde Magyar Italiano ಕನ್ನಡ Кыргызча Lietuvių Română Kinyarwanda नेपाली Српски Wolof Soomaali Moore Українська Български Azərbaycan ქართული тоҷикӣ bm Oromoo Македонскиالشرح
Mampahafantatra i Mpaminany (S.A.W) fa na iza na iza miteny in-jato isan’andro hoe : “Soubouhànalloàhy wa bihamdihy = Voninahitra ho an’Andriamanitra ary ho Azy ny dera”; dia voafafa sy voavela ny helony, na dia be aza, tahaka ny rotran-dranomasina fotsy miposaka eny amin’ny ranomasina, rehefa manonja sy misafoaka.فوائد الحديث
Io valisoa io dia ho azon'izay miteny azy mifanesy na misaraka isan'andro.
Ny (Tasobìhy) Fiderana : dia fanadiovana an’Allah amin’ny tsy fahalavorariana, ary (Alhamdoulillahi) Fiderana : filazana Azy amin'ny fahafenoana tanteraka miaraka amin’ny fitiavana sy ny voninahitra.
Ny tiana holazaina ao amin'ny hadith dia ny famafana ny fahotana madinika, fa ny ny amin'ny fahotana lehibe kosa dia tsy maintsy amin'ny fibebahana.
التصنيفات
Vokatsoan'ny fahatsiarovan an'Allah