إعدادات العرض
Ny mendrika indrindra aminareo dia ireo izay manana fitondran-tena tsara indrindra
Ny mendrika indrindra aminareo dia ireo izay manana fitondran-tena tsara indrindra
Tatitra azo avy tamin'i Abdoullahi Ibn Amrou (R.A) niteny : Ny Mpaminany (S.A.W) dia tsy maloto fitondran-tena ary tsy nanao vetaveta fa matetika milaza izy hoe : "Ny mendrika indrindra aminareo dia ireo izay manana fitondran-tena tsara indrindra."
[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Tiếng Việt සිංහල ئۇيغۇرچە Kurdî Hausa Português മലയാളം မြန်မာ ไทย Deutsch 日本語 پښتو অসমীয়া Shqip Svenska Čeština ગુજરાતી Yorùbá Nederlands తెలుగు Kiswahili தமிழ் دری Magyar ಕನ್ನಡ Кыргызча Lietuvių Română Kinyarwanda नेपाली Српски Wolof Soomaali Moore Українська Български Azərbaycan ქართული тоҷикӣ bm Oromoo Македонски አማርኛالشرح
Tsy tao anatin’ny fitondran-tenan’ny Mpaminany (S.A.W) ny miteny ratsy na manao asa ratsy, ary tsy niniany na ninia nanao izany izy, satria izy Mpaminany (S.A.W) dia nanana fitondran-tena avo. Ary izy Mpaminany (S.W.A) dia niteny hoe : Ny tsara indrindra aminareo eo anatrehan'Allah dia izay manana toetra tsara indrindra, amin'ny fanaovan-tsoa, ny famiratan'ny tarehy, ny fifadiana amin'ny fanaovana ratsy sy ny fandeferana amin'izany, ary fifangaroana amin'ny olona amin'ny hatsaram-panahy.فوائد الحديث
Ny mpino dia tsy maintsy manalavitra ny fahavetavetana, toy ny teny ratsy sy ny asa ratsy.
Fahafenoan'ny toetran'ny Mpaminany (S.A.W), ka tsy misy mivoaka aminy afa tsy ny asa soa sy ny teny mamy.
Ny toetra tsara dia kianja fifaninanana, satria izay tonga voalohany dia tafiditra ho isan’ireo mpino tsara indrindra sy manampinoana feno.
التصنيفات
Ny fitondran-tena tsara