Ny olona hahazo famaizana mafy indrindra eo anatrehan’Allah amin’ny andro farany dia ireo izay mampitaha zavatra amin' ny zava-boarin’Allah

Ny olona hahazo famaizana mafy indrindra eo anatrehan’Allah amin’ny andro farany dia ireo izay mampitaha zavatra amin' ny zava-boarin’Allah

Tatitra azo avy tamin'i Aicha, Renin'ny mpino (R.A) niteny : Niditra tao amiko ny Irak'Allah (S.A.W) ka ny andri-tranoko, (na vata kely fitahirizan-javatra), nosaronako lamba misy sari-zavamananaina, ary nohony nahita izany izy, dia nongotany ary niova ny tarehiny, dia hoy izy hoe : “Ry Aisha, Ny olona hahazo famaizana mafy indrindra eo anatrehan’Allah amin’ny andro farany dia ireo izay mampitaha zavatra amin' ny zava-boarin’Allah". Hoy i Aisha : “Notapahinay ilay izy ary nataonay ondana iray na roa.”

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Niditra tao an-tranony ny Mpaminany (S.A.W) tao amin'i Aisha, ka hitany fa nosaronany lamba misy sarin'ny zavamananaina ny vata kely fitahirizan-javatra ka niova ny lokon’ny tarehiny noho ny hatezerana noho ny antony finoana ka nongotany izany dia niteny hoe : Ny olona hijaly indrindra amin’ny andro farany, dia ireo izay manamboatra zavatra mitovitovy endrika amin’ny zava-boarin’Allah. Hoy i Aisha : Ka nataonay ondana iray na roa izany.

فوائد الحديث

Fanakanana amin'ny ratsy amin'ny fotoana hahitana azy ary tsy mangatam-potoana hanaovana izany, raha tsy miteraka fahavoazana lehibe kokoa.

Miovaova arakaraka ny hamafin’ny fahotana ny sazy amin’ny Andro farany.

Fahotana lehibe ny fanaovana sary zavamananaina.

Anisan’ny didy manakana amin'ny fankana sary ny fandrarana fakana tahaka ny zavaboarin’Allah Tsitoha, na mikasa ny haka tahaka izany ny mpaka sary na tsia.

Ny fahavitrihan'ny lalàna islamika amin'ny fiarovana ny harena sy ny fampiasana azy, rehefa avy nisoroka izay voarara ao.

Fandrarana ny fanaovana sarin'ny zavamananaina amin'ny endriny rehetra, na dia matihanina aza.

التصنيفات

Fanokanana Allah amin'ny maha tompo Azy