izay nanao tsara tato amin'ny Finoana Islam dia tsy ho voasazy noho ny nataony tamin'ny vanom-potoanan'ny habadoana, ary izay nanao ratsy tamin'ny Finoana Islam dia ho voasazy tamin'izay nataony tamin'ny voalohany sy ny farany

izay nanao tsara tato amin'ny Finoana Islam dia tsy ho voasazy noho ny nataony tamin'ny vanom-potoanan'ny habadoana, ary izay nanao ratsy tamin'ny Finoana Islam dia ho voasazy tamin'izay nataony tamin'ny voalohany sy ny farany

Tatitra azo avy tamin'i Ibn Mas'ond (R.D), Niteny Izy ka nanao hoe : Niteny lehilahy iray ka nanao hoe : Oh ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah, Moa va ho sazina tokoa Izahay amin'ireo zava-bitanay tamin'ny vanim-potoanan'ny habadoana ? Namaly i Mpaminany (S.W.A) ka nanao hoe : " izay nanao tsara tato amin'ny Finoana Islam dia tsy ho voasazy noho ny nataony tamin'ny vanom-potoanan'ny habadoana, ary izay nanao ratsy tamin'ny Finoana Islam dia ho voasazy tamin'izay nataony tamin'ny voalohany sy ny farany ".

[Sahih/Authentic.] [Al-Bukhari and Muslim]

الشرح

Manazava i Mpaminany (S.W.A) ny hatsarana amin'ny fidirana ao amin'ny Finoana Islam. Ary izay nandray ka niditra nanaraka ny Finoana Islam ary nankatsara ny finoany no sady madio Fo sy marina; dia tsy anisany ireo izay ho tsaraina amin'ny fahotana nataony Izy nandritra ny vanom-potoanan'ny habadoana izay nanaovany izany fahotana sy fahadisoana izany. Ary izay nanaratsy ny fitondran-tenany tato amin'ny Finoana Islam ka nihatsaravelatsihy na koa nivadi-pinoana ka niala amin'ny Finoana Islam; dia ho tsaraina amin'izay rehetra vitany tamin'ny tsy finoany sy izay rehetra nataony tato amin'ny Finoana Islam.

فوائد الحديث

Ny mahazava-dehibe ny fiasan-dohan'ireo Mpiaradian'ny Mpaminany rehetra (R.D) sy tahotran' izy ireo amin' izay rehetra efa nivitan' izy ireo teo amin'ny fiainana tamin'ny vanim-potoanan'ny habadoana.

Ny famporisiana feno amin'ny fifikirana amin'ny fomba rehetra ny Finoana Islam.

Fahasoavan'ny fidirana amin'ny Finoana Islam ary izany dia manadio tanteraka ireo asa-bita rehetra teo aloha.

Ireo mpivadi-pinoana sy ireo mpihatsaravelatsihy dia ho tsaraina izy ireo amin'izay rehetra nataon'izy ireo tamin'ny vanim-potoanan'ny habadoana, ary ny fahotana rehetra izay nataon'izy ireo tato amin'ny Finoana Islam.