izy tsy Niteny mihitsy na dia indray Andro fa hoe : Tompoko, mamela ny fahotako amin’ny Andro fitsarana”

izy tsy Niteny mihitsy na dia indray Andro fa hoe : Tompoko, mamela ny fahotako amin’ny Andro fitsarana”

Tatitra azo avy amin'i Aicha (R.D), Niteny ka nanao hoe : Izaho Niteny ka nanao hoe : O ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah, Ibn Jad'àny tamin'ny vanim-potoanan'ny habadoana dia manohy ny rom-pihavanana, ary mampisakafo ireo mahantra, ka nahasoa azy ve izany ? dia Hoy i Mpaminany (S.W.A) Namaly Azy ka nanao hoe : “ Tsy mahasoa Azy akory izany, izy tsy Niteny mihitsy na dia indray Andro fa hoe : Tompoko, mamela ny fahotako amin’ny Andro fitsarana”.

[Mari-pototra] [Notantaraiin'i Moslim]

الشرح

Nilaza i Mpaminany (S.W.A) momba an'i Abdollahy ibn Jad'àny, isan'ireo Olon-dehibe tamin'ireo foko koraishy talohan'ny finoana Islam. Isan'ireo asa soa nataony dia ny : manohy ny fihavanana amin'ny fianakaviana ary manao soa amin'izy ireo ihany koa, ary ankoatr'izay dia ireo asa soa izay namporisian'ny finoana Islam, Saingy ireo asa soa ireo mahasoa Azy amin'ny Andro farany, noho ny tsy finoany an'i Tompo Allah, ary Izy dia tsy mbola Niteny indray Andro hoe : Tompo o ! Mamela ny heloko amin'ny Andro fitsarana.

فوائد الحديث

Fanazavana ny fahasoavan'ny finoana, ary izany tokoa dia tafiditra ho anisan'ny fepetra amin'izay ankatoavina ny asa.

Fanazavana ny faharatsian'ny fikomiana ary izany tokoa dia antony manimba an'ireo asa soa.

Ireo mpikomy tsy mino dia tsy hahazo tombony amin’ny asa nataony izy ireo any ankoatra Satria tsy mino an’i Tompo Allah sy ny Andro farany izy ireo.

Ny asan'ny Olona iray izay mbola hita fa mpikomy dia voarakitra an-tsoratra ho Azy, fa raha toa ka mivadika ka lasa ho Mpino Islamo indray Izy dia lasa hahazo valisoa ho azy ireo indray Izy.

التصنيفات

Ny Islam, Ny tsy finoana