Izay mandainga ny amiko an-tsitrapo, dia efa nametraka ny toerany ao amin'ny Afobe

Izay mandainga ny amiko an-tsitrapo, dia efa nametraka ny toerany ao amin'ny Afobe

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : "Izay mandainga ny amiko an-tsitrapo, dia efa nametraka ny toerany ao amin'ny Afobe".

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Nilaza mazava tsara ny Mpaminany (S.A.W) fa izay minia mandainga ny aminy, amin'ny alàlan'ny teny na fihetsika dia hipetraka any amin'ny Afobe izy any ankoatra. Sazy noho ny lainga nataony ny amin'ny Mpaminany (S.A.W).

فوائد الحديث

Ny mandainga ny amin'ny Mpaminany (S.A.W) fanahy iniana sy an-tsitrapo dia antony mampiditra amin'ny Afobe.

Ny lainga atao ny amin'ny Mpaminany (S.A.W) dia tsy mitovy amin'ny lainga atao amin'ny olon-kafa rehetra, noho ny faharatsiana lehibe aterak'izany eo amin'ny finoana sy ny eto an-tany.

Fampitandremana amin'ny fampielezana hadith mialohan'ny fanamarinana sy famotopotorana ny fahamarinan'ny fifandraisany amin'ny Mpaminany (S.A.W).

التصنيفات

Ny maha zava-dehibe ny Sunnat sy ny lanjany, Ny fitondran-tena tsy mendrika