dia mamaky andininy folo tamin'ny Irakan' i Tompo Allah (S.W.A), ka tsy manampy andinin'ny folo hafa mihitsy raha tsy efa mahalala ny dikany sy mampihatra azy ireo tsenky aloha

dia mamaky andininy folo tamin'ny Irakan' i Tompo Allah (S.W.A), ka tsy manampy andinin'ny folo hafa mihitsy raha tsy efa mahalala ny dikany sy mampihatra azy ireo tsenky aloha

Tatitra azo avy tamin'i Abi Abdor-Rahmàny As-Solamÿ (R.D) Niteny hoe : Nanambara Anay ireo izay nampianatra Anay mamaky ny Boky masina Koroany tamin'ireo Mpiara-dian'ny Mpaminany (S.W.A) fa izy ireo dia mamaky andininy folo tamin'ny Irakan' i Tompo Allah (S.W.A), ka tsy manampy andinin'ny folo hafa mihitsy raha tsy efa mahalala ny dikany sy mampihatra azy ireo tsenky aloha, ka Nilaza izy ireo hoe : Azonay ny fahalalana ary nataonay ny asa.

[Hasan/Sound.] [Ahmad]

الشرح

Ireo mpiara-dian'ny Mpaminany (S.W,A) dia nandray andininy folo ao anatin'ny Boky masina Koroany avy amin'ny Mpaminany (S.W.A), ary tsy mifindra amin'ny andininy hafa raha tsy efa nahay sy nampihatra tsara ireo andininy folo azony izy ireo, ka nahalala izy ireo no sady nampihatra izany rehetra izany avy hatrany.

فوائد الحديث

Ny hasin'ireo Mpanaradia (R.D) sy ny fahazotoan'izy ireo hianatra ny Boky masina Koroany.

Ny fianarana ny Boky masina Koroany dia amin’ny alàlan’ny fahalalana sy ny fampiharana izay ao anatiny fa tsy amin’ny famakiana sy fanaovana tsianjery azy fotsiny.

Ny fahalalana dia mialohan'ny fitenenana sy ny asa.