Teneno ny hoe : Là ilàha illalloahou = izany hoe : Tena marina fa tsy misy Tompo mendrika ho tompoina afa-tsy i Tompo Allah irery ihany, fa izany teny izany no hijoroko vavolom-belona ho Anao amin'ny Andro farany

Teneno ny hoe : Là ilàha illalloahou = izany hoe : Tena marina fa tsy misy Tompo mendrika ho tompoina afa-tsy i Tompo Allah irery ihany, fa izany teny izany no hijoroko vavolom-belona ho Anao amin'ny Andro farany

Tatitra azo avy amin'i Abou Horairah (R.D) Niteny Izy ka nanao hoe : Niteny ilay Iraka mahafatokin' i Tompo Allah (S.W.A) tamin'ny Dadatoany ka nanao hoe : " Teneno ny hoe : Là ilàha illalloahou = izany hoe : Tena marina fa tsy misy Tompo mendrika ho tompoina afa-tsy i Tompo Allah irery ihany, fa izany teny izany no hijoroko vavolom-belona ho Anao amin'ny Andro farany " Hoy Izy namaly hoe : Raha tsy naneso sy nanome tsiny Ahy amin'izany ireo foko sy firazanana Kouraisita - amin'ny fitenenan'izy ireo Ahy hoe : Ny tebiteby ihany no nahatonga Azy hanao izany - dia ny mba ho nampifaly Anao tamin'izany Aho. Teo dia nampidinin'i Tompo Allah ilay andininy Soratra masina hoe : { Innaka Là Tahdy Man Ahbabta Waläki-nnalloaha Yahdiy Man Yasha = Tena marina fa Ianao dia tsy afaka mitarika izay Olona Tianao taritina ry Mouhammadi fa i Tompo Allah irery ihany no mitarika izay tiany } [ Al-qasas :56].

[Sahih/Authentic.] [Muslim]

الشرح

Niangavy an'ny dadatoany i Mpaminany (S.W.A) teo ampialan'aina mba hiteny an'ilay Teny hoe : Là ilàha illalloahou mba ahafahany hanelanelana Azy amin'ny Andro farany, ary ny mba hijorony vavolom-belona amin'ny finoana Islamo, nefa dia tsy nanaiky hijoro vavolom-belona Izy noho ny tahotra amin'ireo teny ratsy izay mety ho lazain'ireo foko sy firazanana Kouraishita ka mety hiteny Aminy izy ireo hanao hoe : Niditra Islam Izy nohon'ny tahotra amin'ny fahafatesana sy ny fahalemena fotsiny ! Ka Nilaza taminy i Mpaminany (S.W.A) : Raha tsy izany dia nampidiriko hafaliana tao Am-ponao amin'ny fitenenako ny Teny fijorona vavolom-belona ary ny tanjona izay tianao dia nomeko Anao, Nampidinin'i Tompo Allah ny andininy Soratra masina milaza fa tsy manam-pahefana amin'ny fampahitsiana Olona na dia iray aza ato amin'ny finoana Islam i Mpaminany (S.W.A) fa i Tompo Allah irery ihany no manana fahefana ny amin'ny fampahitsiana ny Olona, fa ny an'ny Mpaminany (S.W.A) dia manoro amin'ny toro-làlana sy hitsin-dàlana sy fampielezana amin'ny làlana mahitsy ihany.

فوائد الحديث

Ny marina sy ny fahamarinana dia tsy azo avela noho ny avy amin'ny fahatahorana ny resaka izay mety lazain’ny Olona.

Ny Mpaminany (S.W.A) dia manana fahafahana afaka manoro làlana mahitsy sy fitaritana ny Olona ho amin'izany fa tsy manana alalana ny hanome Olona ny fahitsina avy hatrany eo amin'ny finoana.

Azo atao ny manao fitsidihana an'irei izay tsy Mpino rehefa marary mba hiantsoana Azy hanaraka ny finoana Islamo.

Fifikiran'ny Mpaminany (S.W.A) ny amin'ny fampielezana sy fiantsoana ny Olona ho any amin'ny lalan'i Tompo Allah amin'ny endrika sy toe-javatra rehetra.