Niteny ny Mpaminany (S.A.W) isaky ny aorian'ny soalat tsy maintsy atao

Niteny ny Mpaminany (S.A.W) isaky ny aorian'ny soalat tsy maintsy atao

Tatitra azo avy tamin'i Waràdi mpitan-tsoratr'i Al-Moghirah bin Sho'bah, izay nilaza hoe : Al-Moghirah bin Sho'bah dia nampanoratra ahy taratasy ho an'i Moa'wiyah: Niteny ny Mpaminany (S.A.W) isaky ny aorian'ny soalat tsy maintsy atao rehetra manao hoe : “Là Ilàha Illallàho Wahdahò Là Sharìka Laho; Lahol Molko Walahol Hamdo Wahoa A'là Kolli Shai-in Qadìr. . Allahomma là Màni'a' limà à'twaita walà mo'tia limà mana'ta walà yanfa''' Zal djaddi minkal djaddi."

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Niteny ny Mpaminany (S.A.W) aorian'ny soalat tsy maintsy atao* rehetra hoe : “Là Ilàha Illallàho Wahdahò Là Sharìka Laho; Lahol Molko Walahol Hamdo Wahoa A'là Kolli Shai-in Qadìr. . Allahomma là Màni'a' limà à'twaita walà mo'tia limà mana'ta walà yanfa''' Zal djaddi minkal djaddi."" Izany hoe : Manaiky sy miaiky ny teny fanokanana an'Allah aho, izany dia ny hoe: Tsy misy Tompo Mariana mendrika ho tompoina afa-tsy Allah, Ny fanompoam-pivavahana marina izay ekeko dia ho an'Allah, ary laviko amin'ny hafa rehetra izany. Tsy misy Tompo marina ivavahana afa-tsy Allah, ary ekeko fa Azy irery ihany ny fanjakana feno sy ny marina. Ny fideran'ny vahoakan'ny tany sy lanitra dia ho an’Allah Tsitoha, satria Izy no mahefa ny zava-drehetra, ary izay efa notendren'ny lahatr'Allah, fa hotolarana na hosakanana dia tsy misy afaka manohitra izany, ary eo anatrehany dia tsy misy dikany ny harenan'ny mpanankarena, fa ny asa soa no mahasoa azy.

فوائد الحديث

Tsara ny manonona io tonombavaka io aorian'ny soalat satria misy teny fanokanana an'Allah sy fiderana Azy.

Ny fahatsapan-tena amin'ny fanarahana ny Sonnat sy ny fanaparitahana azy.

التصنيفات

Ireo tonombavaka amin'ny Swalat