“Ho lazaiko anareo ve ny fahotana lehibe indrindra

“Ho lazaiko anareo ve ny fahotana lehibe indrindra

Tatitra azo avy tamin'i Abo Bakrata (R.A) niteny : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ho lazaiko anareo ve ny fahotana lehibe indrindra?”naveriny in-telo". Hoy izy ireo namaly: “Eny, ry irak’I Allah.” Dia hoy izy : “Ny fampirafesana an'I Allah, ny tsy fanajana Ray aman-dreniny.” Nipetraka izy no sady niakina ka niteny hoe : “Tandremo ny fijorona vavolombelona amin'ny lainga.” Tsy nitsahatra namerimberina izany izy, ka nahatonga izahay niteny hoe : Enga anie izy mba hangina.

[Sahih/Authentic.] [Al-Bukhari and Muslim]

الشرح

Nolazain'ny Mpaminany (S.A.W) tamin'ireo mpiara-diany ny fahotana lehibe indrindra, ka nilaza ireto telo ireto izy : 1. Fampiombonana an'I Allah amin'ny hafa: izany dia ny fandefasana n'inona n'inona amin'ireo fanompoana ho an'ny zavatra hafa ankoatra an’I Allah, sy ny fampitoviana an’I Allah amin’ny hafa eo amin’ny maha-Tompo Mpahary Azy, amin'ny maha-Tompo tompoina Azy, amin'ny ireo Anarany sy ny Toetoetrany. 2. Ny tsy fanajana Ray aman-dreny : izany dia izay rehetra ratsy atao amin’ny Ray aman-dreny, na amin’ny teny na amin’ny fihetsika, ary ny tsy fanaovana soa aminy. 3. Fitenenana lainga, anisan’izany ny fijoroana ho vavolombelona tsy marina : Izany dia ny teny sandoka sy lainga rehetra natao hanambaniana an’izay iharan’izany amin’ny fakana ny volany, ny fanitsakitsahana ny voninahiny, sy ny rehetra mitovy amin'izany. Namerimberina ny fampitandremana amin'ny fitenenan-dratsy ny Mpaminany (S.A.W) mba ho fanairana ny amin'ny faharatsiana sy ny voka-dratsy aterany eo amin'ny fiaraha-monina, ka nahatonga an'ireo mpanara-diany niteny hoe : Enga anie izy mba hangina, ho fangorahana azy sy fankahalana izay manelingelina azy.

فوائد الحديث

Ny fahotana lehibe indrindra dia ny fampiombonana an'I Allah amin'ny hafa; Satria nataony hisahana ny laharana voalohany izany fahotana izany no sady lehibe indrindra, ary manamafy izany ny tenin’I Allah Ilay Tsitoha manao hoe : “Hamafisina, fa Allah dia tsy mamela heloka izay mampitambatra Azy amin'ny hafa, ary mamela heloka kosa Izy ankoatra izany raha sitrany.}”

Ny halehiben’ny zon’ny Ray aman-dreny, satria dia nampitahaina amin’ny zon’I Allah ny zony.

Mizara ho roa ny fahotana, dia ny fahotana lehibe sy kely. Ny fahotana lehibe dia : Ny ota rehetra izay misy sazy eto an-tany, toy ny famaizana sy ny ozona, na famaizana any ankoatra, toy ny fandrahonana hiditra ao amin’ny Afobe. Ary ny fahotana lehibe dia ambaratonga, ny sasany dia mafy kokoa noho ny sasany eo amin'ny fandrarana azy, ary ny fahotana madinika kosa dia ny rehetra ankoatr'ireo fahotana lehibe.