إعدادات العرض
Nanao sorona ondrilahy roa misy tandroka ny Mpaminany (S.A.W), namono azy roa tamin'ny tànany izy, nanonona ny anaran'I Allah nanao takbir “Allaho Akbar” ary nametraka ny tongony teo amin'ny takolany
Nanao sorona ondrilahy roa misy tandroka ny Mpaminany (S.A.W), namono azy roa tamin'ny tànany izy, nanonona ny anaran'I Allah nanao takbir “Allaho Akbar” ary nametraka ny tongony teo amin'ny takolany
Tatitra azo avy tamin'i Anas (R.A) niteny izy : Nanao sorona ondrilahy roa misy tandroka ny Mpaminany (S.A.W), namono azy roa tamin'ny tànany izy, nanonona ny anaran'I Allah nanao takbir “Allaho Akbar” ary nametraka ny tongony teo amin'ny takolany.
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी ئۇيغۇرچە Hausa Português മലയാളം Kurdî অসমীয়া Kiswahili አማርኛ Tiếng Việt ગુજરાતી Nederlands සිංහල پښتو ไทย नेपाली Кыргызча Svenska Română తెలుగుالشرح
Nitatitra i Anas (R.A) fa namono ondrilahy roa misy tandroka fotsy mifangaro mainty tamin'ny tànany ny Mpaminany (S.A.W) tamin'ny andron'ny Eid al-Adha ary niteny izy hoe : Amin'ny anaran'I Allah sy Allah lehibe indrindra (bismillah wa Allah Akbar), dia nataony teo amin'ny vozony ny tongony.فوائد الحديث
Ny maha ara-dalàna ny sorona, ary ny silamo rehetra dia niombon-kevitra tamin'izany.
Ny tena tsara indrindra amin'ny fanaovana sorona dia toy ny karazana sorona nataon’ny Mpaminany (S.A.W); Noho izy tsara endrika ary ny taviny sy ny nofony tsara kokoa.
Nilaza i Nawawi : Maneho izany fa tsara kokoa raha ny olona iray no mandray andraikitra amin'ny fanapahana ny soronany, fa tsy manankina ny fanapahana izany amin'ny olon-kafa, afa-tsy hoe manana fialan-tsiny, ary amin'izany toe-javatra izany dia tsara ho azy ny manatrika mijery ny famonoana azy, ary raha nametraka mpino iray solon-tenany izy dia azo atao tsy misy fanoherana.
Nilaza i Ibn Hajar : Maneho izany fa tsara raha miteny “Allaho Akbar” sy manonina ny anaran'I Allah eo am-panapahana, ary tsara ny mametraka ny tongotra eo amin'ny soroka amin'ny tendany havanana, ary niombon-kevitra ny rehetra fa ny fomba fampandriana azy dia manindry ny ilany ankavia ka apetrany eo amin’ny ilany ankavanana ny tongony, mba ho mora kokoa amin’ny mpamono ny haka ny antsy amin’ny ankavanana sy hihazona ny lohany amin’ny tanany havia.
Tsara ny manao sorona biby misy tandroka, nefa azo atao koa ny manao ankoatr'izay.