إعدادات العرض
Tena marina fa anisan'ny iray amin'ireo jiady lehibe indrindra dia ny tenin'ny fahamarinana manoloana ny mpitondra manao ny tsy rariny
Tena marina fa anisan'ny iray amin'ireo jiady lehibe indrindra dia ny tenin'ny fahamarinana manoloana ny mpitondra manao ny tsy rariny
Tatitra azo avy tamin'i Abo Said Al-Khodri (RA), niteny ny Mpaminany (SAW) manao hoe : "Tena marina fa anisan'ny iray amin'ireo jiady lehibe indrindra dia ny tenin'ny fahamarinana manoloana ny mpitondra manao ny tsy rariny."
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Hausa Kurdî Kiswahili Português සිංහල አማርኛ অসমীয়া ગુજરાતી Tiếng Việt دری Nederlands नेपाली پښتو ไทย Svenska മലയാളം Oromoo Кыргызча Română తెలుగు Lietuvių ಕನ್ನಡ Српскиالشرح
Nasehon'ny Mpaminany mazava tsara fa iray amin'ireo karazana ady masina amin'ny lalan'I Allah- lehibe sy mahasoa indrindra dia ny fitenenana ny rariny sy ny marina eo anatrehan'ny mpitondra na andriana mpanao tsindrihazolena; Satria izany dia asa famporisihana amin'ny tsara sy fanakanana amin'ny ratsy, na amin’ny fiteny izany, na amin’ny soratra, na amin’ny fihetsika, na amin’ny zavatra hafa, izay hahazoana tombontsoa sy hialana amin’ny ratsy.فوائد الحديث
Ny famporisina amin'ny tsara ary fandrarana amin'ny ratsy dia isan'ny ady masina.
Ny fanoroana hevitra ny mpitondra dia iray amin'ireo karazana ady lehibe indrindra, saingy tsy maintsy atao amin'ny fahalalana sy ny fahendrena ary ny faharetana.
Nilaza i Khattabi : Izany no lasa ady tsara indrindra; Satria izay miady amin'ny fahavalo dia misalasala eo anelanelan'ny fanantenana sy ny tahotra, ka tsy fantany na handresy izy na ho resy, fa ny mpitondra kosa dia manana ny hery feno eo an-tànany, ka raha miteny ny marina sy mandidy azy hanao izany izy, dia miharihary ho any amin'ny fahasimbana, ary mikendry ny famotehana ny tenany izy, ka lasa karazana ady tsara indrindra izany noho ny tahotra betsaka loatra ao aminy, ary voalaza hoe : Izy io no ady tsara indrindra; Satria raha nandray am-pitiavana ny teniny ny mpitondra, dia mety hiitatra amin’ny olona maro ny vokatsoa, ka ho tanteraka ny tombontsoa.