إعدادات العرض
“Aoka tsy hihazona ny filahiny amin’ny tànany havanana ny iray aminareo rehefa mipipy, na misasa ny henatrany amin’ny tànany havanana, na miaina ao anaty vilia”
“Aoka tsy hihazona ny filahiny amin’ny tànany havanana ny iray aminareo rehefa mipipy, na misasa ny henatrany amin’ny tànany havanana, na miaina ao anaty vilia”
Tatitra azo avy tamin'i Abo Katada (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Aoka tsy hihazona ny filahiny amin’ny tànany havanana ny iray aminareo rehefa mipipy, na misasa ny henatrany amin’ny tànany havanana, na miaina ao anaty vilia”.
[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी සිංහල Hausa Português Kurdî Kiswahili دری অসমীয়া ไทย Tiếng Việt አማርኛ Svenska Yorùbá Кыргызча ગુજરાતી नेपाली Oromoo മലയാളം Română Nederlands Soomaali پښتو తెలుగు Kinyarwanda ಕನ್ನಡ Српски Moore ქართულიالشرح
Nanazava ny ampahany amin'ny fahalalam-pomba ny Mpaminany (S.A.W); ka nandrara lehilahy hitazona ny filahiny rehefa mipipy amin’ny tànany havanana, ary manala ny loto amin’ny filahiana na ny any ambany amin’ny tànana havanana; Satria ny havanana dia voaomana ho amin'ny asa soa. Norarany koa ny olona mba tsy hiaina ao amin’ny zinga fisotrony.فوائد الحديث
Manazava ny laharam-pahamehan'ny finoana silamo amin'ny fahalalam-pomba sy ny fahadiovana.
Fanalavirana ny zavatra maloto, fa raha tsy maintsy manao izany izy dia aoka hanao izany amin'ny tànana ankavia.
Fanazavana ny voninahitry ny havanana sy ny fahamboniany noho ny ankavia.
Ny fahafenoan'ny lalàna silamika sy ny fahafenoan'ny fampianarany.