Nisy lehilahy iray niara-nisakafo tamin’ny irak’Allah (S.A.W), tamin’ny tanany havia, dia hoy izy hoe : “Mihinàna amin’ny tànanao ankavanana ianao” Namaly izy : “Tsy vitako” dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Tsy vitanao ve

Nisy lehilahy iray niara-nisakafo tamin’ny irak’Allah (S.A.W), tamin’ny tanany havia, dia hoy izy hoe : “Mihinàna amin’ny tànanao ankavanana ianao” Namaly izy : “Tsy vitako” dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Tsy vitanao ve

Tatitra azo avy tamin'i Salma Ibn Akwaa’ (R.A) : Nisy lehilahy iray niara-nisakafo tamin’ny irak’Allah (S.A.W), tamin’ny tanany havia, dia hoy izy hoe : “Mihinàna amin’ny tànanao ankavanana ianao” Namaly izy : “Tsy vitako” dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Tsy vitanao ve", Tsy misy afa-tsy ny fanambonian-tena no nanakana azy hanao izany, dia hoy izy : Tsy nampiakatra izany tamin’ny vavany intsony izy.

[Sahih/Authentic.] [Muslim]

الشرح

Nahita lehilahy iray nihinana tamin’ny tànany havia ny Mpaminany (S.A.W), ka nasainy nihinana tamin’ny tànany havanana izy, namaly tamim-piavonavonana sy lainga ilay lehilahy fa tsy afaka izy! Koa nangataka Doan ho azy ny Mpaminany (S.A.W) mba tsy hahavita hihinana amin'ny tànana havanana. Dia novalin'i Allah ny hataky ny Mpaminaniny ka lasa nalemy ny tànana havanan'ilay lehilahy, ary tsy afaka nampiakatra ny sakafony sy ny zava-pisotrony tany ambavany taorian'izany.

فوائد الحديث

Voadidy ny fihinana amin’ny tànana havanana ary fady ny mihinana amin’ny tànana havia.

Mendrika sazy ny fiavonavonana amin'ny fampiharana ny lalàna islamika.

Fanomezan'Allah voninahitra ny mpaminaniny amin'ny famalina ny hataka izay nataony.

Voadidy ny famporosiana amin'ny tsara sy ny fandrarana amin'ny ratsy amin'ny toe-javatra rehetra, na dia am-pihinanana aza.