?Ry dadatoa,: lazao hoe : Tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy Allah, teny izay hiadiako hevitra ho anao amin’I Allah.”

?Ry dadatoa,: lazao hoe : Tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy Allah, teny izay hiadiako hevitra ho anao amin’I Allah.”

Tatitra azo avy tamin'i Said bin Al-Mosayyab, tatitra azony tamin'ny rainy, niteny manao hoe : Rehefa ho faty i Abo Talib dia tonga tao aminy ny Irak'I Allah (S.A.W) ka nahita an'i Abo Jahl sy Abdollah bin Abi omayyah bin Moghirah teo aminy, dia hoy izy hoe : «Ry dadatoa,: lazao hoe : Tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy Allah, teny izay hiadiako hevitra ho anao amin’I Allah.” Dia hoy Abo Jahli sy Abdollah bin Abi Omayyah : Tsy ho tianao intsony ve ny finoan’i Abdol Mottalib? tsy mitsahatra hatrany ilay Irak'Allah mampiteny azy izany ary naverimberin'izy roa tamin'i Abo Talib ihany koa ny teniny, Mandra-pahatongan'i Abo Talib nilaza ny teniny farany tamin'izy ireo hoe : Manaraka ny fivavahan'i Abdol Mottalib aho, ary nandà ny hiteny: Tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy i Allah. Hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Mianiana amin'I Allah aho fa hangataka famelan-keloka ho anao tokoa raha mbola tsy voarara amin'izany.” Teo dia nampidinin'I Allah ilay andininy masina nanambara hoe : Tsy anjaran'ny Mpaminany sy ireo mpino ny mangataka famelan-keloka ho an'ireo mpampitambatra (mpanompo sampy) [At-Taobah: 113], ary nampidinin'Allah tamin'i Abo Twalib ity andininy masina ity izay milaza amin'ny Mpaminany (S.A.W) hoe : {Tsy mitarika izay tianao ianao (ry Mohammad), fa Allah no mitari-dàlana izay tiany} [Al-Kasas: 56].

[Sahih/Authentic.] [Al-Bukhari and Muslim]

الشرح

Niditra tao amin'i Abo Talib dadatoany ny Mpaminany (S.A.W) raha efa ho faty izy, ary niteny taminy hoe : Dadatoa o, teneno hoe : “Tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy Allah”, teny ijoroako ho vavolombelona hiaro anao manoloana an'I Allah. Hoy I Abo Jahl sy Abdollah bin Abi omayyah : Ry Abo Talib, hiala amin'ny finoan'i Abdol Mottalib rainao ve ianao?! Fivavahana amin'ny sampy izany, tsy nitsahatra niresaka taminy izy roa mandra-pilazany teny farany nolazainy tamin'izy ireo : Manaraka ny finoan'i Abdol Mottalib, ny fivavahana amin'ny fanakambanana sy ny fanompoana sampy. Hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Hangataka famelan-keloka ho anao aho raha tsy mandrara ahy ny hanao izany ny Tompoko, teo dia nidina ny tenin'I Allah manao hoe: {Tsy anjaran'ny Mpaminany sy ireo mpino ny mangataka famelan-keloka ho an'ireo mpampitambatra (mpanompo sampy), na dia havany akaiky aza izy ireo, rehefa niseho tamin'izy ireo mazava tsara, fa olon'ny afobe izy ireny].(Taoba:113). Nidina momba an'i Abo Talib ny tenin'I Allah Tsitoha: {Tsy mitarika izay tianao ianao (ry Mohammad), fa Allah no mitari-dàlana izay tiany. Ary Izy no Mahafantatra indrindra ireo voatari-dàlana].(Kassas: 56), Tsy mitarika izay tianao hotarihina ianao, fa mampita ny hafatra no adidinao, fa Allah no mitarika izay tiany.

فوائد الحديث

Voarara ny mangataka famelan-keloka ho an’ireo mpivavaka amin’ny zavatra hafa, na inona na inona ny fihavan’izy ireo, na ny asany, soa vitany.

Ny fakana tahaka ireo razambe, sy ny olobe amin'ny fomba diso dia anisa'ny asan'ireo olon'ny habadoana.

Ny fahafenoan'ny fangoraham-pon'ny Mpaminany (S.A.W) sy ny fahavitrihany hiantso olona sy hanitsy azy ireo.

Valin-kafatra ho an'izay mihevitra fa nanaraka ny finoana silamo i Abo Talib.

Ny asa manan-kery dia ilay nataonao farany.

Ny tsy manan-kery ny firaiketam-po amin'ny Mpaminany (S.A.W) sy ny hafa akoatrany mba hitondra soa na hiarovana amin'ny loza.

Izay miteny hoe "Tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy Allah" miaraka amin'ny fahalalana, fahatokisana ary finoana dia niditra tao amin'ny finoana silamo.

Ny loza ateraky ny namana ratsy sy ny mpiara-belona ratsy amin'ny olombelona.

Ny dikan'ny hoe "Tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy Allah" : dia ny fialana amin'ny fanompoan-tsampy sy ny olo-masina ary ny olo-mendrika, ka manokana ny fanompoana ho an'I Allah irery ihany, ary ireo mpanompo sampy dia mahafantatra dikan'izany.

Azo atao ny mitsidika marary mpanompo sampy raha antenaina ny hivadihany ho mpanaraka ny silamo.

Ny fampahitsiana ho amin'ny fahombiazana dia eo am-pelatanan'I Allah irery ihany, tsy misy mpiombona Aminy amin'izany, fa ny Irak'I Allah dia fitarihana sy fanambarana sy fanoroana làlana ary ny fampitana fotsiny ihany.