إعدادات العرض
"Hahazo fahombiazana izy raha tena marina ny nolazainy
"Hahazo fahombiazana izy raha tena marina ny nolazainy
Tatitra azo avy amin'i Twlah bin Obaidillah (R.A), niteny izy : Nisy lehilahy iray tonga teo amin'ilay Irak'I Allah (S.A.W) avy amin'ny vahoakan'i Najdi ary mikorontam-bolo, avo feo ary tsy fantatra tsara izay lazainy ka nanantona teo akaikin'ny irak'Allah (S.A.W) nanontany momba ny Islam, dia hoy ilay Irak'I Allah (S.A.W) hoe : "Vavaka in-dimy amin'ny andro sy alina". hoy ilay rangahy : moa ve misy tokony hataoko ankoatr'izany? hoy ny Mpaminany (S.W.A) : Tsia, afa-tsy izay ataonao an-tsitrapo, ary ny fifehezana amin'ny volana Ramadany", dia hoy izy : "Moa ve misy hafa ankoatr'io?", dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : "Tsia, afa-tsy izay ataonao an-tsitrapo". ary nolazain'ny Mpaminany (S.A.W) taminy koa ny Zakat, dia hoy izy hoe : "Misy hafa ankoatra io ve?, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : "Tsia, afa-tsy hoe izay ataonao an-tsitrapo". Dia hoy izy : Niamboho teo ilay lehilahy ary niteny hoe : "Mianiana amin'I Allah aho fa tsy hanampy no tsy hanala ireo voalaza", Ka nilaza ny Irak'Allah (S.A.W) hoe : "Hahazo fahombiazana izy raha tena marina ny nolazainy".
الترجمة
العربية Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Türkçe اردو 中文 हिन्दी Kurdî Kiswahili Português සිංහල دری অসমীয়া ไทย Tiếng Việt አማርኛ Svenska Yorùbá Кыргызча ગુજરાતી Hausa नेपाली Română മലയാളം Nederlands Oromoo Soomaali తెలుగు پښتو Kinyarwanda ಕನ್ನಡ Српски Moore ქართულიالشرح
Nisy lehilahy iray avy amin'ny foko Najdi tonga teo amin'ny Mpaminany (S.A.W) ary mikorontana be ny volony, avo fiteny, tsy fantatra ny resany, ka nanakaiky an'ny Mpaminany (s.A.W), ka nanontany azy momba ireo zavatra voadidy amin'ny finoana silamo? Ka natombon'ny mpaminany (S.A.W) tamin'ny Swalat, ary nolazainy fa Tompo Allah nandidy azy ireo ny vavaka in-dimy isanandro sy alina. Dia hoy izy : Moa ve misy swalat hafa voadidy amiko ankoatr'ireto dimy ireto? Namaly ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Tsia, afa-tsy hoe nanampy swalat hafa an-tsitrapo ianao. Avy eo niteny ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Ny zavatra manaraka dia voadidy aminao ny fifehezana amin'ny volana Ramadany. Dia hoy izy : Moa ve misy fifehezana hafa ankoatr'io fifehezana amin'ny Ramadany io voadidy amiko? Namaly ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsia! afa-tsy hoe manao fifehezana hafa an-tsitrapo ianao. Avy eo nolazain'ny Mpaminany (S.A.W) ny Zakat. Dia nanontany izy : Misy zavatra hafa tokony havoakako aorian'ny Zakat voadidy amiko? Namaly ny mpaminany (S.A.W) hoe : Tsia! Raha tsy hoe mamoaka an-tsitrapo. Rehefa avy nandre tamin'ny Mpaminany (S.A.W) ireo asa tsy maintsy ho ataony ilay rangahy dia niamboho ary nianiana tamin'I Allah fa hanaja tanteraka ireo voalaza ka tsy hanampy no tsy hanala, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) taorian'izany avy hatrany manao hoe : Raha tena marina voalazan'io rangahy io tamin'ny fianianana nataony dia tafiditra ho isan'ireo olona hahazo fahombiazana izy.فوائد الحديث
Fahatsoran'ny lalàna silamika sy ny fanamorana azy amin'ireo mpanatanteraka.
Ny hatsaran'ny fifandraisan'ny mpaminany (S.A.W) tamin'ity rangahy ity, satria nomeny fahafahana hanantona azy sy hanontany azy.
Fanombohana ny fiantsoana makany amin'I Allah amin'ny tena zava-dehibe indrindra izay vao ny manaraka azy.
Ny finoana silamo dia foto_pinoana sy asa, ka tsy mahasoa ny asa raha tsy misy finoana, ary ny finoana dia tsy mahasoa raha miaraka amin'ny asa.
Ny maha-zava-dehibe ireo asa ireo ary iray amin'ireo fototra ijoroan'ny finoana silamo.
Ny vavaka zoma dia tafiditra ao anatin'ny vavaka dimy voadidy, Satria izy io misolo ny Swalat Zohri amin'ny andro zoma ho an'izay nahafeno fepetra.
Natombon'ny Mpaminany (S.A.W) ny fampianarany tamin'ireo tena goavana amin'ireo adidy ary izany dia ireo fototra lehibe aorian'ny fijorona vavolombelona anakiroa; satria izy efa mpino silamo; ary tsy niteny momba ny Hajj izy satria mbola tsy voadidy tamin'izany na koa tsy mbola tonga ny fotoany.
Raha mitsahatra amin'ireo fanompoana voadidy ihany ny olona iray dia efa nahazo fahombiazana, saingy izany tsy midika hoe tsy hanampy amin'ireo fanompoana an-tsitrapo izy; satria ny fanompoana an-tsitrapo dia mameno ireo fanompoana voadidy amin'ny andro farany.
التصنيفات
Ny Islam