“Ny mpitaingina miarahaba ny mpandeha tongotra, ny mpandeha tongotra miarahaba ny mipetraka, ary ny vitsy miarahaba ny maro”

“Ny mpitaingina miarahaba ny mpandeha tongotra, ny mpandeha tongotra miarahaba ny mipetraka, ary ny vitsy miarahaba ny maro”

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : “Ny mpitaingina miarahaba ny mpandeha tongotra, ny mpandeha tongotra miarahaba ny mipetraka, ary ny vitsy miarahaba ny maro”.

[Sahih/Authentic.] [Al-Bukhari and Muslim]

الشرح

Nanome toromarika momba ny fahalalam-pomba amin'ny fifampiarahabana eo amin'ny samy olombelona ny Mpaminany (S.A.W) nilaza manao hoe : “Assalam Alaikom Wa rahmatollahi Wa barakatoh, izay midika hoe : Ho aminareo anie ny fiadanana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan'I Allah”. ka ny ankizy miarahaba ny lehibe, ny mitaingina miarahaba ny mpandeha tongotra, ny mandeha miarahaba ny mipetraka, ary ny vitsy anisa miarahaba ny maro.

فوائد الحديث

Tsara ny miarahaba olona araka ny voalaza ao amin'ilay hadith. Fa raha ny mpandeha an-tongotra no miarahaba ny mpitaingina, sy ny hafa ankoatr'izany araka ny voalaza dia mety, saingy mifanohitra amin'ny tokony ho izy sy ny tsara kokoa.

Ny fanaparitahana ny fiarahabana araka ny fomba voalaza ao amin'ny hadith dia iray amin'ireo antony mahatonga ny fifankatiavana sy ny fifankahazoana.

Raha itovizan'izy ireo anefa ilay voalaza amin'ny hadith dia izay manomboka ny fiarahabana no tsara kokoa amin'izy ireo.

Ny fahafenoan’ny lalàna silamika ity eo amin'ny fanazavana izay rehetra ilain’ny olona.

Fampianarana ny fahalalam-pomba eo amin’ny fiarahabana sy ny fanomezana ny tsirairay ny zony.