إعدادات العرض
Matahora an'i Tompo Allah na aiza na aiza ny toerana misy anao, ary ampanaraho asa tsara ny asa ratsy mba hamafa izany, ary miaraha miaina amin' olona amin'ny toetra mendrika
Matahora an'i Tompo Allah na aiza na aiza ny toerana misy anao, ary ampanaraho asa tsara ny asa ratsy mba hamafa izany, ary miaraha miaina amin' olona amin'ny toetra mendrika
Niteny Abo Zarr, Jondobo ibn Jonàdah, sy Abo 'Abdir-rahmàni, Mo'àz ibn Jabal (RA), fa ny Irakan'i Tompo Allah (S.W.A) dia Nilaza ka nanao hoe : "Matahora an'i Tompo Allah na aiza na aiza ny toerana misy anao, ary ampanaraho asa tsara ny asa ratsy mba hamafa izany, ary miaraha miaina amin' olona amin'ny toetra mendrika".
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Hausa Kurdî Português සිංහල Македонски नेपाली دری پښتو Shqip ગુજરાતી ភាសាខ្មែរ Українська Čeština Magyar Српски ქართული ਪੰਜਾਬੀ Kiswahili Lietuvių ಕನ್ನಡ മലയാളം тоҷикӣ kmr తెలుగు O‘zbek தமிழ்الشرح
Nandidy zavatra telo i Mpaminany (S.W.A) : Voalohany dia : Ny fatahorana an'i Tompo Allah, izay tratrarina amin'ny alàlan'ny fanaovana ireo zavatra voabaiko fa tsy maintsy atao sy ny fialana tanteraka amin'ireo zavatra rehetra voarara, na aiza na aiza, na amin'ny fotoana inona na amin'ny toe-javatra inona, na miafina na mibaribary ampahibemaso, na amin'ny fotoam-piadanana na amin'ny fahasahiranana, sns. Faha-roa : Izany hoe raha manao fahotana Ianao dia manaova asa soa avy hatrany aorian'izany, toy ny fanaovana ny vavaka, fiantrana, hatsaram-panahy, fanohizana ny fifamatorana ara-pianakaviana, fibebahana, sy ny sisa, Satria izany no fomba mahomby etina hamafa ny fahotana sy ny fahadisoana. Faha-telo : Miara-miasa ny amin' Olona amin'ny fomba sy toetra tsara feno hatsarana, toy ny mitsikitsiky Aminy, maneho ny hatsaram-panahy sy fahalemem-panahy, manao asa soa ary miala amin'ny fanaovana ny ratsy.فوائد الحديث
Ny fahasoavan'i Tompo Allah ilay avo Tsitoha amin'ny mpanompony dia ao amin'ny famindram-pony, ny famelan-keloka ary ny famelan-keloka avy Aminy ihany koa.
Nahitana ireo zo faha-telo feno tao amin'ny Hadithe : ka ny Zon'i Tommo Allah dia ny amin'ny alàlan'ny fatahorana Azy, ary ny Zon'ny tena na ny vatana dia ny hanao asa tsara aorian'ny asa ratsy, ary ny Zon'ny Olona hoentina amin'ny fitondran-tena tsara.
Ny famporisihana hanao ny asa tsara aorian'ny asa ratsy, ary ny toetra tsara dia iray amin'ireo toetran'ny fatahorana an'i Tompo Allah, ary voalaza mitokana izany noho ny filàna fanazavana azy.
التصنيفات
Ny fitondran-tena tsara