Isaky ny vanin-taolana eo amin'ny olombelona dia misy fanomezana (sadaka) avokoa

Isaky ny vanin-taolana eo amin'ny olombelona dia misy fanomezana (sadaka) avokoa

Tatitra azo avy amin'i Abou Houraira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : "Isaky ny vanin-taolana eo amin'ny olombelona dia misy fanomezana (sadaka) avokoa, isaky ny miposaka ny masoandro ka nanao fahamarinana eo anatrehan'ny olona roa dia fanomezana, ny fanampiana ny olona amin'ny biby fitaingenany ka mampiakatra na mitondra ny enta-mavesatrany dia fanomezana, ny teny mamy dia fanomezana, ary isaky ny famindra iray atao makany amin'ny moske dia fanomezana, ary fanalana zava-maranitra eny an-dàlana dia fanomezana".

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa ny mpino silamo tsirairay dia manana adidy isan'andro manao asa soa ho fanomezana an-tsitrapo amin'ny alalan'ny tsirairay amin'ireo vanin-taolany ho fankasitrahana an'Allah amin'ny fahasalamany, sy ny nanaovany vanin-taolana eo amin'ny taolany mba ahafahany milefitra sy miampatra. Ary io fanomezana (sadaka) io dia mitatra amin'ny asa soa rehetra fa tsy mitsahatra amin'ny fanolorana vola ihany, ka anisan'izany ny : Ny rariny ataona sy ny fampihavanana eo amin'olona roa mpifanditra dia fanomezana. Ary ny fanampianao ny olona malemy hitaingina ny bibiny na mampiakatra ny entany dia fanomezana izany. Ary ny teny mamy, toy ny fahatsiarovana an'Allah, ny fitalahoana, ny fiarahabana, sns... dia ny fanomezana. Ny dingana rehetra atao mankany amin'ny swalat dia fanomezana. Ary ny fanalana izay manimba na mandratra eny an-dàlana dia fanomezana.

فوائد الحديث

Ny firafitry ny taolan'olombelona sy ny fahasalamany dia iray amin’ireo fahasoavana lehibe indrindra avy amin’Allah ilay Tsitoha, ka isaky ny taolana tsirairay dia tokony hamoahana fanomezana avokoa, amin'ny anarany manokana mba ho tontosa ny fankasitraha amin'ny alalan'izany fahasoavana izany.

Famporisihana hanavao ny fankasitrahana isan'andro mba ho fitohizan'ireo fahasoavana ireo.

Famporisihana amin'ny fanohizana ny asa an-tsitrapo sy fanomezana isan'andro.

Ny hatsaran'ny fampihavanana eo amin'ny olombelona.

Mamporisika ny olona mba hanampy ny rahalahiny; Satria ny fanampiany azy dia fanomezana.

Famporisihana ny olona hanatrika ny swalat iombonana amin'ny alalan'ny dia tongotra, sy ny famelomana ny moske amin'alalan'izany.

Voadidy ny fanajana ny làlan'ny mpino silamo amin'ny fanesorana izay rehetra manimba na mandratra azy ireo.

التصنيفات

Ny hasin'ny finoana Islam sy ny hatsarany