إعدادات العرض
Ny Henatra na ny fahamaotinana dia anisan’ny Finoana
Ny Henatra na ny fahamaotinana dia anisan’ny Finoana
Tatitra azo avy tamin'i Abdoullahi Ibn Oumar (R.A) niteny : Nandre lehilahy iray nananatra ny Rahalahiny momba ny fahamaotinana (Henatra) i Mpaminany (S.W.A), ka hoy Izy Taminy hoe : “ Ny Henatra na ny fahamaotinana dia anisan’ny Finoana ”.
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Tiếng Việt සිංහල Kurdî Hausa Português മലയാളം తెలుగు မြန်မာ ไทย Deutsch 日本語 پښتو অসমীয়া Shqip Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands ئۇيغۇرچە Kiswahili தமிழ் دری Fulfulde Magyar ಕನ್ನಡ Кыргызча Lietuvių or Română Kinyarwanda Српски O‘zbek Moore नेपाली Oromoo Wolof Soomaali Български Українська Azərbaycan ქართული Lingala тоҷикӣ Македонски bmالشرح
Nandre lehilahy nanoro hevitra ny Rahalahiny i Mpaminany (S.W.A) mba hiala amin'ny fahamaotinana tafahoatra loatra ! kas dia Nohazavainy Taminy fa anisan’ny Finoana ny fahamaotinana, ary tsy mitondra afa-tsy ny soa ihany izany. Ny fahamaotinana na ny henatra dia toe-tsaina mitarika ho amin’ny fanaovana ny Tsara sy ny fialana amin’ny Ratsy.فوائد الحديث
Ny misakana Anao tsy hanao ny Tsara dia tsy atao hoe saro-kenatra, fa kosa atao hoe sarimbavy, fahalemena, ary kanosa.
Ny Henatra na ny fahamaotinana eo anatrehan’i Tompo Allah ilay avo Tsitoha dia azo avy amin’ny alalan’ny fanaovana sy fanatanterahana an'ireo didy sy ny fialana amin’ireo zavatra voarara.
Ny Henatra na ny fahamaotinana eo amin’ny Olona dia ny fanajana azy ireo, ny fametrahana azy ireo amin’ny toerany ary ny fialana sy fiatahana amin’izay zavatra mahamenatra izay mazàna sy nahazatra.
التصنيفات
Ny fitondran-tena tsara