Allah ô! Mitady fiarovana Aminao aho mba tsy ho dobon-trosa, sy resin’ny fahavalo, ary ny fifalian’ny fahavalo

Allah ô! Mitady fiarovana Aminao aho mba tsy ho dobon-trosa, sy resin’ny fahavalo, ary ny fifalian’ny fahavalo

Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Ibn Amrio Ibn Al-Assi (R.A) niteny fa i Mpaminany (S.A.W) dia mangataka Doan amin'ireto teny ireto : "Allah ô! Mitady fiarovana Aminao aho mba tsy ho dobon-trosa, sy resin’ny fahavalo, ary ny fifalian’ny fahavalo".

[Mari-pototra] [Notantarain’i Al-Nasàì sy Ahmad]

الشرح

Nitady fiarovana tamin'ireto raharaha ireto i Mpaminany (S.A.W) : Ny voalohany : (Allah ô, mitady fiarovana aho) ary mitady fialofana sy fiarovana (Aminao) aho fa tsy amin'ny olon-kafa, (amin'ny fanjakazakan'ny trosa) sy ny fampahoriana, ny tebiteby ary ny fahoriany, ary mangataka fanampiana Aminao aho amin'ny fandoavana ny trosa. Ny faharoa : (sy ny fandresen’ny fahavalo) ary ny fampahoriana sy ny fanjakany, ary mangataka Aminao mba hanala ny haratsiany ary hahazo fandresena aminy. Fahatelo : (sy ny firavoravoan’ny fahavalo) ny hafaliany noho ny fahoriana sy ny loza manjo ny mpino silamo.

فوائد الحديث

Famporisihana hitady fialofana amin’I Allah amin’izay rehetra manelingelina ny fankatoavana sy mitondra fanahiana, toy ny fivavahana sy ny zavatra hafa.

Tsy misy maharatsy ny mitrosa, fa ny ratsy dia ny tsy mamerina ny trosa, ary izany no atao hoe dibon-trosa.

Tsy maintsy manalavitra ny zavatra iderana sy fanakianana azy ny olona iray.

Fanazavana ny fankahalan’ny tsy mpino ny mpino sy ny firavoravoan’izy ireo raha sendra loza.

Fampisehoan'ny fahavalo ny hafaliany amin’ny fahorian’ny olombelona dia mampitombo ny fahoriana ho azy.

التصنيفات

Ireo Douan voaporofo fa nataon'ny mpaminany