Ny tsara indrindra aminareo dia ireo izay mianatra ny CORAN sy mampianatra izany amin'ny hafa

Ny tsara indrindra aminareo dia ireo izay mianatra ny CORAN sy mampianatra izany amin'ny hafa

Tatitra azo avy amin'i Outhman (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny tsara indrindra aminareo dia ireo izay mianatra ny CORAN sy mampianatra izany amin'ny hafa".

[Sahih/Authentic.] [Al-Bukhari]

الشرح

Milaza amintsika ny Mpaminany (S.A.W) fa ny silamo tsara indrindra sy ambony indrindra eo imason'Allah dia : ireo izay mianatra ny CORAN, amin'ny famakiana azy, amin'ny fitadidiana, amin'ny famakiana azy, manara-dalàna ary amin'ny fandikana. ary mampianatra ny hafa ny fahalalana ny CORAN izay ananany ary fampiharana azy.

فوائد الحديث

Fanazavana momba ny voninahitry ny CORAN ary io no teny tsara indrindra; Satria tenin’Allah izany.

Ny mpianatra tsara indrindra dia ireo izay mampianatra ny hafa, fa tsy ireo izay mametra ny fahalalana ho an'ny tenany ihany.

Ny fianarana sy fampianarana ny CORAN dia ahitana ny famakina, ny dikany ary ireo lalàna mamehy azy.