“Tsy ho tena mpino ny iray aminareo raha tsy efa mankatia ahy mihoatra ny rainy sy ny zanany ary ny olombelona rehetra Aho.”

“Tsy ho tena mpino ny iray aminareo raha tsy efa mankatia ahy mihoatra ny rainy sy ny zanany ary ny olombelona rehetra Aho.”

Tatitra azo avy tamin'i Anas (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy ho tena mpino ny iray aminareo raha tsy efa mankatia ahy mihoatra ny rainy sy ny zanany ary ny olombelona rehetra Aho.”

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Mampahafantatra Atsika i Mpaminany (S.W.A) fa tsy feno ny finoan'ny mpino iray raha tsy ny fitiavany ilay irak'Allah no laharam-pahamehana noho ny fitiavany ny reniny, ny rainy, ny zanany lahy, zanany vavy, ary ny olona rehetra, ary izany fitiavana izany dia mitaky ny fankatoavana azy sy ny fanohanana azy ary ny fialana amin’ny fikomiana azy.

فوائد الحديث

Voadidy isika mitia ny irak'Allah (S.A.W), ary natao ho laharam-pahamehana ny fitiavana manoloana ny zavaboary rehetra.

Ny mariky ny fitiavana feno sy tonga lafatra dia : ny fanohanana ny Sunnah fomba amam-panaon'ny Mpaminany, ary ny fanaovana sorona ny aina sy ny harena ho amin'izany.

Ny fitiavana ny irak'Andriamanitra dia mitaky ny fankatoavana azy amin'izay didy nomeny, ny finoana izay lazainy, ny fialana amin'ny zavatra norarany sy noteneniny, ny fanarahana azy ary ny fialana amin'ny hevi-diso sy ny forona.

Ny zon'ny Mpaminany (S.A.W) dia lehibe sy azo antoka kokoa noho ny an'ny olona rehetra. Satria izany no antony nitarika antsika amin'ny fahitsiana ary niala amin'ny fahaverezana, namonjy antsika tamin'ny Afobe, ary hahazoantsika ny Paradisa.

التصنيفات

Ireo asan'ny fo