إعدادات العرض
Izay naka fahalalana tamin'ny kintana dia efa mahazo ampahany tamin'ny ody, ka raha hampitomboiny izany dia mitombo ny filalaovany ody
Izay naka fahalalana tamin'ny kintana dia efa mahazo ampahany tamin'ny ody, ka raha hampitomboiny izany dia mitombo ny filalaovany ody
Tatitra azo avy tamin'i Ibn Abbas (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay naka fahalalana tamin'ny kintana dia efa mahazo ampahany tamin'ny ody, ka raha hampitomboiny izany dia mitombo ny filalaovany ody."
الترجمة
العربية Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский اردو 中文 हिन्दी বাংলা ئۇيغۇرچە Kurdî Português മലയാളം తెలుగు Kiswahili தமிழ் සිංහල မြန်မာ ไทย Deutsch 日本語 پښتو Tiếng Việt অসমীয়া Shqip Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands Türkçe Hausa دری Magyar Italiano ಕನ್ನಡ Кыргызча Lietuvių Română Kinyarwanda नेपाली Српски Soomaali Moore Українська Български Tagalog Wolof Azərbaycanالشرح
Manazava i Mpaminany (S.A.W) fa izay mianatra sy maka fahalalan'ny kintana sy ny antokon-kintana ary fanaaporofona ny fihetsiny, ny fidirana sy ny fivoahana amin'ny zava-mitranga eto an-tany, toy ny fahafatesan'olona sy ny fahavelomany na ny aretiny, sy ny zavatra hafa mety hitranga amin’ny hoavy, dia nianatra ampahany tamin’ny fanaovana ody, ary arakaraka ny ahazoan’ny olona izany fahalalana no hidirany lalina amin'ny filalaovana ody.فوائد الحديث
Voarara ny fanandroana, izay milaza ny hoavy mifototra amin'ny toetry ny kintana. Satria izany dia filazana mivantana momba ny fahalalana ny tsy hita maso.
Ny fanandroana izay voarara dia anisan'ny karazana fanaovana ody mifanohitra amin'ny finoana an'i Allah fa tsy toy ny fijerena kintana hamaritana ny làlana na ny fitodihana rehefa hivavaka, na ny fahatongavan'ny vanim-potoana sy ny volana izay azo atao.
Arakaraka ny ianarany ny fanandroana no hidirana bebe kokoa any amin'ny sampana sikidy.
Ny kintana dia mitondra vokatsoa anakitelo izay noresahin’Allah ao amin’ny bokiny : fandravahana sy fanaingona ny lanitra, famantarana ny làlana aleha, ary fitoram-bato ireo devoly.
.