Aza mianiana amin'ny Sampy na amin'ny razanareo

Aza mianiana amin'ny Sampy na amin'ny razanareo

Tatitra azo avy tamin'i Abdo rahman bin Samra (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Aza mianiana amin'ny Sampy na amin'ny razanareo."

[Mari-pototra] [Notantaraiin'i Moslim]

الشرح

Nandrara ny fianianana atao amin'ny sampy ny Mpaminany (S.A.W), io sampy io dia sampy mpanompon'ireo mpanompo sampy ankoatra an'I Allah, ary ireny no nahatonga azy ireo nihoam-pefy sy tsy nino. Ary mandrara ny mianiana amin’ny razambe ny Mpaminany (S.A.W); Fanaon’ny Arabo talohan’ny silamo ny mianiana amin’ny razany noho ny fireharehana ny aminy sy ny fanajana azy ireo.

فوائد الحديث

Tsy azo atao ny mianiana raha tsy amin’I Allah sy ireo Anarany ary ireo Toetoetrany.

Voarara ny mianiana amin’ny sampy, ny razana, ny mpitondra, ireo sary vongana, ary izay tsy mety rehetra hafa mitovy amin’izany.

Ny mianiana amin'ny zavatra hafa ankoatra an'I Allah dia shirk kely, ary mety ho shirk lehibe izany, raha misy lanjany ao am-pony ireo nanaovany fianianana, tahaka ny fanajana an'I Allah na koa mino izany amin'ny endrika fanompoana.

التصنيفات

Ny fanokanana an'Allah amin'ny maha-Andriamanitra Azy