Allahoumma antas-salàmo wa minkas-salàmo Tabàrakta yà zhal-Djalàly wal-ikràmo

Allahoumma antas-salàmo wa minkas-salàmo Tabàrakta yà zhal-Djalàly wal-ikràmo

Tatitra azo avy amin'i Thouban (R.A) niteny manao hoe : I Mpaminany (S.W.A) rehefa miala amin'ny Swalat izay nataony dia mangataka famelan-keloka in-telo, ary miteny hoe : " Allahoumma antas-salàmo wa minkas-salàmo Tabàrakta yà zhal-Djalàly wal-ikràmo". Niteny i Al-walìd: noteneniko tamin'ny Aozàì' hoe : Ahoana ny fomba fangatahana ny famelan-keloka? Namaly izy hoe : Astaghfirol-loàha Astaghfirol-loàha Astaghfirol-loàha.

[Sahih/Authentic.] [Muslim]

الشرح

Mpaminany (S.W.A) rehefa avy nanao swalat dia miteny hoe : Astaghfirol-loàha, Astaghfirol-loàha, Astaghfirol-loàha. Avy eo manome voninahitra ny tompony ka miteny hoe : "Allàhoumma Antas-salàm wa minkas-salàm Tabàrakta yà zhal-Djalàly wal-ikràmo". Allah tia filaminana sy lavorary amin’ny toetrany, manalavitra kilema sy ny tsy fahampiana rehetra, ary avy Aminy, mangataka fiarovana aminy amin’ny faharatsian’izao tontolo izao sy ny any ankoatra ianao fa tsy amin’ny zavatra hafa. Izy no nampitombo ny fahatsarany teo amin’ny tontolo roa, Ilay manana ny fahalehibiazana sy ny fiantrana.

فوائد الحديث

Tsara ny mangataka famelan-keloka sy ny fifikirana amin'izany isaky ny vita Swalat.

Tsara mangataka ny famelan-keloka nohon'ny famenoana ny tsy ampy tamin'ny fanompoana sy ny famolana tena amin'ny fankatoavana sy ny hakamoana amin'izany.