“Marina tokoa fa Allah dia mandrara anareo tsy hianiana amin’ny razanareo

“Marina tokoa fa Allah dia mandrara anareo tsy hianiana amin’ny razanareo

Tatitra azo avy amin'i Omar Bin Al-Khatwab (R.A) niteny : Niteny ny Mpaminany (SAW) manao hoe : “Marina tokoa fa Allah dia mandrara anareo tsy hianiana amin’ny razanareo.” Hoy i Omar : “Mianiana aho amin'I Allah, fa tsy nianiana tamin’izany intsony aho hatramin’ny nandrenesako ny irak’Allah (S.A.W) nandrara izany, tsy nanadino na koa nankatia.

[Sahih/Authentic.] [Al-Bukhari and Muslim]

الشرح

Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa Tompo Allah mandrara ny fianianana amin’ny razambe, ka izay te hianiana dia tsy tokony hianiana afa-tsy amin’I Allah ihany, fa tsy mianiana amin’ny zavatra hafa. Avy eo i Omar bin Al-Khattab (R.A) nilaza fa tsy nianiana tamin' izany intsony izy hatramin'ny nandrenesany ny irak'Allah (S.A.W) nandrara izany, tsy fananiana no sady tsy naheno fianianana nataon'ny olona tamin'ny zavatra hafa.

فوائد الحديث

Fandrarana ny fianianana amin’ny zavatra hafa ankoatra an’Allah, voalaza manokana ny fianianana amin’ny razambeny satria izany dia fomba fanao talohan’ny finoana silamo .

Fianianana: Dia fianianana amin’Allah, amin’ny anaran’Allah, na amin’ireo Toetoetran’Allah momba ny zavatra iray mba ho fanamafisana azy.

Ny voninahitr'i Omar (R.A) tamin'ny fanarahan-dalàna haingana, ny fahatakarana tsara ary ny tahotra ananany.