إعدادات العرض
Raha misy olona mitia ny Rahalahiny, dia aoka izy hilaza aminy mivantana hoe tia azy izy
Raha misy olona mitia ny Rahalahiny, dia aoka izy hilaza aminy mivantana hoe tia azy izy
Tatitra azo avy tamin'i AL-MIkDAD Ibn Maadi Karab (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe : " Raha misy olona mitia ny Rahalahiny, dia aoka izy hilaza aminy mivantana hoe tia azy izy ."
[Mari-pototra] [Notantarain’i Abo Daòd, Al-Tirmizì, Al-Nasàì ao amin'ny Al-Sonan Al-Kobra, ary Ahmad]
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Tiếng Việt Kurdî Hausa Português മലയാളം తెలుగు Kiswahili မြန်မာ Deutsch 日本語 پښتو অসমীয়া Shqip Svenska Čeština ગુજરાતી Yorùbá Nederlands ئۇيغۇرچە සිංහල தமிழ் دری Akan Azərbaycan Български Fulfulde Magyar ಕನ್ನಡ Кыргызча Lietuvių नेपाली or Română Kinyarwanda тоҷикӣ O‘zbek Moore Wolof Oromoo Српски Soomaali bm Українська rn km ქართული Македонски Ελληνικά አማርኛالشرح
Manazava i Mpaminany (S.A.W) dia momba ny iray amin'ireo antony manamafy orina ny fifandraisan'ny mpino sy mampiparitaka ny fifankatiavana eo amin'izy ireo, dia ny hoe raha misy olona mitia ny rahalahiny dia aoka izy hilaza amin'ny rahalahiny fa tiany izy.فوائد الحديث
Ny hatsaran’ny fitiavana madio noho i Allah ilay Tsitoha, fa tsy noho ny tombontsoan’izao tontolo izao.
Tsaratsara ny filazanao mivantana tsy miambahamba amin'ny Olona tianao nohon'i Allah ny fitiavanao azy, mba hampitombo ilay fitiavana sy ny fifankahazoana ao am-po.
Ny fanaparitahana ny fifankatiavana eo amin’ny samy vahoaka Mpino dia fomba iray manamafy orina ny firahalahiana aram-pinoana ary izany koa dia tena hafaka miaro tanteraka ny fiaraha-monina manoloana ny fisaratsarahana sy ny fizarazarana.