“Raha nisotro amin’ny vilian'iray aminareo ny alika, dia aoka ho sasany im-pito izany.”

“Raha nisotro amin’ny vilian'iray aminareo ny alika, dia aoka ho sasany im-pito izany.”

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), fa niteny ny Mpaminany (saw) nilaza manao hoe : “Raha nisotro amin’ny vilian'iray aminareo ny alika, dia aoka ho sasany im-pito izany.”

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Nasain'ny Mpaminany (S.A.W) ho sasana im-pito ny vilia raha nolelafin'ny alika, ka ny voalohany amin'izany dia miaraka amin'ny tany ka ny rano manaraka azy ao aoriana, ka hadio tanteraka izany amin'ny fahalotoana sy ny ratsy ho aterany.

فوائد الحديث

Ny roran'ny alika dia loto tena goavana.

Ny filelafan'ny alika ny vilia dia mandoto azy, ary koa mandoto ny rano ao aminy.

Ny fanadiovana amin'ny tany sy ny famerimberenana azy im-pito dia natokana ho fanadiovana izay voalelaky ny alika fa tsy namaniany na nangereny na koa izay mety ho loto hafa aterany.

Fomba fanasana amin'ny tany : Asina rano ao anaty koveta ary asina tany, avy eo dia sasana amin'io rano mifangaro tany io ny vilia.

Raha ny endrika asehon'ny Hadith dia miresaka momba ny alika amin'ny ankapobeny, eny fa na dia ny alika izay navelan'ny lalàna silamika ho tehirizina aza , toy ny alika fihazana, ny mpiambina, ary ny mpiara-dia eny an-dalana.

Tsy mahasolo ny tany ny savony sy ireo ravin-kazo fanadiovana; Satria ny Mpaminany (S.A.W) mihitsy no nanoro ny momba ny tany.

التصنيفات

Fanesorana ny loto, Ny fitaovana