إعدادات العرض
Ny vola tena tsara indrindra dia ny vola izay navokan'ny olona mba ho fanomezana amin'ireto manaraka ireto : vola izay avoakany ka nomeny ireo ankohonany, ny vola izay avokan'ny olona amin'ny biby ho fitainginy noho ny Allah, ary ny vola izay laniny amin'ireo namany noho ny amin'I Allah
Ny vola tena tsara indrindra dia ny vola izay navokan'ny olona mba ho fanomezana amin'ireto manaraka ireto : vola izay avoakany ka nomeny ireo ankohonany, ny vola izay avokan'ny olona amin'ny biby ho fitainginy noho ny Allah, ary ny vola izay laniny amin'ireo namany noho ny amin'I Allah
Tatitra azo avy amin'i Thaobani (R.A), Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny vola tena tsara indrindra dia ny vola izay navokan'ny olona mba ho fanomezana amin'ireto manaraka ireto : vola izay avoakany ka nomeny ireo ankohonany, ny vola izay avokan'ny olona amin'ny biby ho fitainginy noho ny Allah, ary ny vola izay laniny amin'ireo namany noho ny amin'I Allah" Niteny i Abou Qilabah : nanomboka tamin’ireo ankohonany, avy eo i Abo Qilabah dia niteny hoe : Iza no olona mahazo valisoa lehibe mihoatra ny olona mandany vola amin’ny havany, dia hamela ny helony Allah na hanasoa sy hampanan-karena azy ireo.
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Kurdî Kiswahili Português සිංහල دری অসমীয়া ไทย Tiếng Việt አማርኛ Svenska Yorùbá Кыргызча Hausa ગુજરાતી नेपाली Oromoo മലയാളം Română Nederlands Soomaali پښتو తెలుగు Kinyarwanda ಕನ್ನಡ Српски Moore ქართულიالشرح
Nanazava i Mpaminany (S.A.w) ireo karazana famoahana, ary nalaminy mifanandrify amin’ny famoahana araka izay tsy maintsy ataonao, ka nanomboka tamin’ny tena lehibe indrindra ary avy eo ny manaraka. Ka nilaza izy fa ny vola hahazoana valisoa lehibe indrindra dia izay lanin'ny mpino silamo amin'ny olona iray izay eo ambany fahefany ka tsy maintsy iantohany; toy ny amin'ny vady aman-janaka, Avy eo ny famoahana amin'ny fitaovam-pitaterana ho amin'ny ady masina noho I Allah. Avy eo famoahana amin'ny namany sy ny sakaizany raha mbola eo am-panaovana ady masina izy ireo amin'ny làlan'I Allah.فوائد الحديث
Fandaminana n'y fahasoavan'ny fandaniana amin’ny famoaham-bola dia araka ny voalaza eto, ka tokony hajaina izany rehefa mivangongo.
Fanazavana ny laharam-pahamehana amin'ny fandaniana amin'ny ankohonana noho ny hafa.
Ny fandaniana amin'ny ady masina ho amin'ny làlan'I Allah dia iray amin'ireo fandaniana lehibe indrindra, toy ny fanomanana fitaovana sy lehilahy ho amin'ny ady masina.
Voalaza : Ny atao hoe làlan'I Allah dia ny asa fankatoavana rehetra, toy ny fivanianana Masina, ohatra.