إعدادات العرض
“Tsy misy andro izay hifohazan’ny mpanompo amin’ny maraina, afa-tsy hoe misy anjely roa midina ety an-tany, ka ny anankiray amin’izy ireo miteny hoe : Allah ô, omeo fahasambarana izay manome, ary ny anankiray kosa miteny hoe : Allah ô, omeo fahorina izay mahihitra
“Tsy misy andro izay hifohazan’ny mpanompo amin’ny maraina, afa-tsy hoe misy anjely roa midina ety an-tany, ka ny anankiray amin’izy ireo miteny hoe : Allah ô, omeo fahasambarana izay manome, ary ny anankiray kosa miteny hoe : Allah ô, omeo fahorina izay mahihitra
Tatitra avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy misy andro izay hifohazan’ny mpanompo amin’ny maraina, afa-tsy hoe misy anjely roa midina ety an-tany, ka ny anankiray amin’izy ireo miteny hoe : Allah ô, omeo fahasambarana izay manome, ary ny anankiray kosa miteny hoe : Allah ô, omeo fahorina izay mahihitra".
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Tiếng Việt ئۇيغۇرچە Hausa Kurdî Kiswahili Português සිංහල Nederlands ગુજરાતી অসমীয়া پښتو नेपाली മലയാളം Yorùbá ქართული Magyar తెలుగు Македонски Svenska ಕನ್ನಡ Moore Română Українська ไทย मराठी ਪੰਜਾਬੀ دری አማርኛ Wolof ភាសាខ្មែរالشرح
Nanambara ny Mpaminany (S.A.W), fa isan'andro, isaky ny miposaka ny masoandro dia misy anjely roa midina ety an-tany ary miantso, ny iray amin'izy ireo miteny hoe : Allah ô, omeo fahasambarana izay mandany vola amin’ny fankatoavana, amin’ny ankohonany, amin’ny vahiny, ary amin’ny fanomezana an-tsitrapo, ary omeo soa amin’izay laniny izy, ary tahio izy. Hoy kosa ny iray : Allah ô, Omeo fahorina izay mahihitra ary aringano ny hareny izay nohazoniny tamin’izay mendrika azy.فوائد الحديث
Azo atao ny mivavaka ho an'ny malala-tànana mba hahazo tambiny bebe kokoa ary mamela zavatra tsara kokoa noho izay laniny, ary azo atao koa ny mivavaka ho an'ny olona mahihitra mba handrava ny volany satria mahihitra izy ka nanakana azy tsy tamin'ny fanomezana izay nandidian’I Allah azy.
Vavaky ny anjely ho an’ireo mpino marina mpanao asa soa ka mandany amin’ny hatsaram-panahy sy fitahiana, ary vavak'ireo anjely dia ho voavaly.
Famporisihana ny fandaniana amin'ny adidy sy an-tsitrapo; toy ny fandaniana amin’ny fianakaviana, ny fitazonana ny rohim-pihavanana, ary ny varavaran’ny hatsarana.
Fanazavana ny hasin’ny fandaniana amin’ny asa soa, ary ny fiafaran’izany dia ny famalian’I Allah azy, dia hoy Allah ilay Tsitoha manao hoe : “Ary na inona na inona laninareo dia honerany, ary Izy no Mpanome anjaram_pivelomana tsara indrindra” [Saba: 39].
Ity vavaka hatao amin'ny olona mahihitra ity, dia amin'ny fandaniana tsy maintsy atao ihany, fa ny fandaniana an-tsitrapo kosa dia tsy tafiditra ao; Satria tsy mendrika izany vavaka izany ny tompony.
Fandrarana ny fahirana sy tsy famoahana.
التصنيفات
Ny fanomezana an-tsitrapo