إعدادات العرض
Niteny ny Mpaminany (S.A.W) momba ireo Ansar : “Tsy azo lazaina afa-tsy mpino ny mitia azy ireo, ary tsy azo lazaina afa-tsy mpihatsaravelatsihy ny mankahalana azy ireo, izay tia azy ireo dia ho tia azy Allah ary izay mankahala azy dia ho halan’I Allah koa”
Niteny ny Mpaminany (S.A.W) momba ireo Ansar : “Tsy azo lazaina afa-tsy mpino ny mitia azy ireo, ary tsy azo lazaina afa-tsy mpihatsaravelatsihy ny mankahalana azy ireo, izay tia azy ireo dia ho tia azy Allah ary izay mankahala azy dia ho halan’I Allah koa”
Tatitrao azo azo tamin'i Al-Baraa'i (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) momba ireo Ansar : “Tsy azo lazaina afa-tsy mpino ny mitia azy ireo, ary tsy azo lazaina afa-tsy mpihatsaravelatsihy ny mankahalana azy ireo, izay tia azy ireo dia ho tia azy Allah ary izay mankahala azy dia ho halan’I Allah koa”.
[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Hausa Kurdî Kiswahili Português සිංහල Svenska ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá ئۇيغۇرچە Tiếng Việt پښتو অসমীয়া دری Кыргызча or नेपाली Čeština Oromoo Română Nederlands Soomaali తెలుగు ไทย മലയാളം Lietuvių Српски Українська Kinyarwanda Shqip ಕನ್ನಡالشرح
Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa mariky ny finoana tonga lafatra ny fitiavana ny Ansar mponin'i Medina. Izany dia noho izy ireo ny nialohalalana amin'ny fanohanana ny finoana silamo sy ny Mpaminany, ary ny fiezahany hiaro ny mpino silamo, sy ny fanomezana ny volany sy ny ainy ho an'I Allah, ary ny fankahalana azy ireo dia mariky ny fihatsarambelatsihy. Avy eo nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa izay tia ny Ansar dia ho tia azy Allah, ary izay mankahala azy ireo dia mankahala azy Allah.فوائد الحديث
Amin'izany dia ahitana valisoa lehibe ho an’ny Ansar, satria mariky ny finoana sy fanafahana amin’ny fihatsarambelatsihy ny fitiavana azy.
Ny fitiavana sakaizan’I Allah sy ny fanohanana azy ireo dia antony iray itiavan’I Allah ny mpanompo.
Toeram-boninahitra ananan'ireo nanaraka ny finoana silamo tany am-piandohana.