Izaho niaraka nandro tamin'ny Mpaminany (S.A.W) tao anaty siny be iray ary samy tratran'ny loto lehibe izahay roa, ary nanafatra ahy izy mba hisaron-tena, ka nanafosafo ny vatako izy raha mbola tao anatin'ny fadim-bolana aho

Izaho niaraka nandro tamin'ny Mpaminany (S.A.W) tao anaty siny be iray ary samy tratran'ny loto lehibe izahay roa, ary nanafatra ahy izy mba hisaron-tena, ka nanafosafo ny vatako izy raha mbola tao anatin'ny fadim-bolana aho

Tatitra azo avy tamin'i Aicha Renin'ny mpino (R.A) niteny : Izaho niaraka nandro tamin'ny Mpaminany (S.A.W) tao anaty siny be iray ary samy tratran'ny loto lehibe izahay roa, ary nanafatra ahy izy mba hisaron-tena, ka nanafosafo ny vatako izy raha mbola tao anatin'ny fadim-bolana aho Ary navoakany aty amiko ny lohany rehefa izy tao anatin'ny i’tikaf, ka sasako ny lohany ary ao anatin'ny fandim-bolana aho.

[Sahih/Authentic.] [Al-Bukhari and Muslim]

الشرح

Nilaza momba ny fiainam- piainany manokana miaraka amin'ny Mpaminany (S.A.W) ny renin'ny Mpino Aisha (R.A), isan'izany ny : nidio tamin'ny fahalotoana lehibe niaraka tamin'ny Mpaminany (S.A.W) izy, tao anaty siny be iray ka samy naka rano tao aminy. Ary raha tia hanafosafo azy mandritra ny fadim-bolana ny Mpaminany (S.A.W), dia nasainy nanarona ny vatany miainga eo min’ny foitra ka hatrany amin’ny lohalika, mba hahafahany miaraka aminy fa tsy misy firaisana. Ary rehefa nanao I'tikaf tao amin'ny moske ny Mpaminany (S.A.W) dia namoaka ny lohany tany amin'i Aisha, ka nosasany izany, any an-tranony ihany anefa izy no sady tao anatin'ny fadim-bolana.

فوائد الحديث

Azo ataon'ny mpivady ny miaraka mandro amin’ny siny be iray.

Azo atao ny mikitika vatan'ny vehivavy tonga fadim-bolana ankoatra ny taovam-pananahana, satria madio ny vatany.

Tsaratsara raha mirakotra lamba ilay vehivavy amin'ny fotoana hikitiana ny vatany.

Ny fanaovana ireo fomba ahafahana miaro amin'ny filatsahana amin'ny zava-boarara.

Tsy azo ataon'ny vehivavy tonga fotoana ny mijanona maharitra ao amin'ny moske.

Azony atao ny mikitika zavatra mando na maina, anisan’izany ny fanasana volo sy firandranana azy.

Fahaizan'ny Mpaminany (S.A.W) miaraka amin'ny ankohonany.