إعدادات العرض
“Ny zon’ny silamo amin’ny silamo namany dia dimy : mamaly ny fiarahabana, mamangy ny marary, manatrika fandevenana, mamaly ny fanasana ary famaliana vavaka ny olona mievina.”
“Ny zon’ny silamo amin’ny silamo namany dia dimy : mamaly ny fiarahabana, mamangy ny marary, manatrika fandevenana, mamaly ny fanasana ary famaliana vavaka ny olona mievina.”
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A) niteny hoe : Izaho dia nahare an'ny Mpaminany (saw) niteny manao hoe : “Ny zon’ny silamo amin’ny silamo namany dia dimy : mamaly ny fiarahabana, mamangy ny marary, manatrika fandevenana, mamaly ny fanasana ary famaliana vavaka ny olona mievina.”
[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Français ئۇيغۇرچە Kurdî Hausa Português മലയാളം తెలుగు Kiswahili မြန်မာ Deutsch 日本語 پښتو Tiếng Việt অসমীয়া Shqip Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands සිංහල தமிழ் ไทย دری Български Fulfulde Magyar Italiano ಕನ್ನಡ Кыргызча Lietuvių or Română Kinyarwanda тоҷикӣ O‘zbek Akan नेपाली Moore Azərbaycan Wolof Oromoo Soomaali Українська km bm rn ქართული Македонски Српскиالشرح
Manazava ny ampahany amin'ireo zon'ny silamo amin'ny rahalahiny silamo i Mpaminany (saw). Ny voalohany amin'ireo zo ireo dia ny mamaly ny fiarahabana amin'izay miarahaba anao. Ny zo faharoa : Famangiana ny marary sy ny fitsidihana azy. Ny zo fahatelo : Manaraka ny faty avy ao an-tranony ka mankany amin’ny toeram-pivavahana avy eo dia mitohy mankany amin’ny fasana mandra-pandevenana azy. ny zo faha-efatra : Mamaly ny fanasana raha manasa anao amin'ny fampiakaram-bady sy ny hafa. Ny zo fahadimy : Fangataham-pitahina ho an'ny olona mievina, izany dia amin'ny alàlan'ny fitenenana hoe : "YARHAMOKALLAHO" raha avy nidera an'I Allah izy. Ary mamaly ilay mpievina hoe : "Yahdikommolaho Wa yosliho Baalakom", Izay midika hoe : Allah anie hitari-dàlana anao sy handamina ny sainao.فوائد الحديث
Ny halehiben'ny finoana silamo amin'ny fanamafisana ny zo eo amin'ny samy mpino silamo sy ny fanamafisana ny firahalahiana ary ny fifankatiavana eo amin'izy ireo.