إعدادات العرض
“Voavela avokoa ny vahoakako afa-tsy izay nanao ampahibemaso
“Voavela avokoa ny vahoakako afa-tsy izay nanao ampahibemaso
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A) niteny izy : Izaho dia nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : “Voavela avokoa ny vahoakako afa-tsy izay nanao ampahibemaso ihany. Ary anisan’ny fisehoana ampahibemaso, ny fanaovan'ny olona zavatra amin’ny alina, dia nosaronan’I Allah izany nefa nony maraina, dia hoy Izy : Nanao zavatra izao sy izao aho omaly, nefa ny Tompony dia nanarona azy nandritra ny alina, ary nony maraina dia nesoriny ny fanakonan’IAllah azy”.
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Tiếng Việt සිංහල ئۇيغۇرچە Kurdî Kiswahili Português தமிழ் Svenska ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Hausa پښتو অসমীয়া دری Кыргызча or नेपाली Čeština Oromoo Română Nederlands Soomaali తెలుగు മലയാളം ไทย Српски Kinyarwanda ಕನ್ನಡ Lietuvių Shqip Wolof Українська Moore ქართული Magyarالشرح
Nazavainy ny Mpaminany (S.A.W) fa ny mpino silamo meloka dia mety hahazo famelan-keloka sy ny famindram-po avy amin'I Allah, afa-tsy izay manambara ny fahotana amin'ny fomba feno fieboeboana sy avonavona ka tsy mendrika ny famelan-keloka. Satria nanao fahotana tamin'ny alina izy ka nosaronan'I Allah, fa rehefa tonga ny maraina, dia nilaza tamin'ny olona izy fa nanao fahotana toy izao sy izao omaly, nefa efa nosaronan'ny Tompony tamin'ny alina, saingy noesoriny ny fanaronan'IAllah azy nony tonga ny maraina!!فوائد الحديث
Ny maha ratsy ny fanehoana ampahibemaso ny fahotana taorian'ny nanaronan’I Allah ilay Tsitoha azy.
Ny fanambarana ampahibemaso ny fahotana natao dia fanaparitahana fahalotoam-pitondrahan-tena eo amin’ny mpino.
Izay nosaronan’I Allah teto an-tany, dia hosaroniny ihany koa any ankoatra, ary izany dia vokatry ny haben’ny famindrampon’I Allah Tsitoha amin’ny mpanompony.
Izay tafanao fahotana dia tokony hanafina ny tenany ary mibebaka amin’I Allah.
Ny halehiben'ny fahotan'ireo izay mpampiharihary ny fahotana ary tsy hahazo fahasitranana amin'ny tenany.
التصنيفات
Fanamelohana ny ota