Izay nitsangana amin'ny alin'ny lahatra (Laylatoul-kadri) tamin'ny fo feno finoana sy fanatenana valisoa avy amin'i Allah, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana rehetra izay vitany teo aloha

Izay nitsangana amin'ny alin'ny lahatra (Laylatoul-kadri) tamin'ny fo feno finoana sy fanatenana valisoa avy amin'i Allah, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana rehetra izay vitany teo aloha

Tatitra azo avy amin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay nitsangana amin'ny alin'ny lahatra (Laylatoul-kadri) tamin'ny fo feno finoana sy fanatenana valisoa avy amin'i Allah, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana rehetra izay vitany teo aloha".

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Mampafantatra i Mpaminany (S.W.A) momba ireo fahasoavan'ny fitsanganana manompo Allah amin'ny alinan'ny lahatra izay hita ao amin'ny folo andro farany amin'ny Ramadany, ary izay miezaka manatanteraka ny Swalat sy fangatahana Douan ary ny famakiana ny Koroany, ary ny fanaovana Zikr, mino sy manantena fahasoavana amin'izany, manantena ihany koa ny valisoa avy amin'Allah amin'ny asa rehetra izay vita, tsy misy fisehosehoana na fireharehana, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana vitany.

فوائد الحديث

Fahasoavan'ny alin'ny lahatra sy ny fampirisina ny amin'ny fitsanganana hanao asa fanompoana.

Ireo asa soa dia tsy ekena raha tsy miaraka amin'ny fikasana marina.

Fahasoavan'Allah sy ny indrafony, fa izay mitsangana amin'ny alin'ny lahatra amin'ny fanekem-pinoana marina sy ny fanantenana valisoa dia ho voavela ny Ota rehetra izay vitany.

التصنيفات

Ny Swalat amin'ny alina, Ny folo andro farany amin'ny Ramadan