إعدادات العرض
Tena marina fa Allah nandidy amin'ny fanaovana tsara amin'ny zava-drehetra
Tena marina fa Allah nandidy amin'ny fanaovana tsara amin'ny zava-drehetra
Tatitra azo avy tamin'i Chidàd Ibn Aosy (R.D) Nilaza : Misy zavatra roa voaraiko tamin'ny Irakan'Allah (S.W.A), Hoy izy manao hoe : "Tena marina fa Allah nandidy amin'ny fanaovana tsara amin'ny zava-drehetra ; ka raha mamono biby ianareo, dia aoka mba hanatsara ny famonoana azy, ary raha manapaka biby fiompy ianareo, dia tapao tsara; ka aoka handrangitra tsara ny Lelan'antsiny ny tsirairay aminareo mba , ary hampiadana ny biby tapahiny ."
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Türkçe اردو 中文 हिन्दी Tagalog ئۇيغۇرچە Kurdî Hausa Português മലയാളം తెలుగు Kiswahili தமிழ் မြန်မာ Русский Deutsch 日本語 پښتو Tiếng Việt অসমীয়া Shqip සිංහල دری Svenska አማርኛ Čeština Fulfulde ગુજરાતી Magyar Italiano ಕನ್ನಡ Кыргызча Lietuvių Nederlands or Română Kinyarwanda Српски тоҷикӣ ไทย O‘zbek Yorùbá Moore नेपाली Oromoo Wolof Soomaali Български Українська Azərbaycan bm ქართული Македонскиالشرح
Ny Mpaminany (S.W/A), dia milaza amintsika fa Allah ilay avo Tsitoha dia nandidy antsika hanao soa amin'ny zavatra rehetra, ary ny fanaovana soa : dia ny fitandremana an'Allah mandrakariva, amin'ny fanompoana azy sy amin'ny fiezahana manao soa ary ny fitsaharana amin'ny fanaovan-dratsy manoloana ireo zavaboary, ary tafiditra ao anatin'izany fanaovan-tsoa izany ny famonoana sy fanapahana. Ny fanaovan-tsoa amin'ny fampiarana didy famonoana : Dia ny fisafidiana fomba mora indrindra, maivana ary haingana indrindra amin'ny fanalana fofon'ain'Olona ho vonoina. Ny fanaovan-tsoa amin'ny fanapahana kosa : Dia ny fangorahana amin'ilay biby amin'ny alàlan'ny fandrangitana tsara ny fitaovana, ary tsy rangitina eo anoloan'ny biby hovonoina raha mijery izany izy, ary tsy mamono azy raha mbola misy biby fiompy hafa mijery azy.فوائد الحديث
Ny famindram-pon’Allah ilay avo Tsitoha sy ny hatsaram-panahiny amin’ny zavaboary rehetra izay nohariany.
Ny fanaovan-soa amin'ny famonoana sy ny fanapahana dia tokony hatao amin'ny fomba ara-dalàna.
Ny fahafenoan'ny Lalàna Islamika sy ny fandrakofany ny Zavatra tsara rehetra, ao anatin'izany ny famindram-po sy ny fangorahana amin'ny biby.
Voarara ny manao Ohatra ny olona iray aorian'ny famonoana azy.
Fandrarana izay rehetra miendrika fampijaliana ireo Biby.