Izay tian'i Allah hahazo ny hatsarana dia atony mahatakatra ny lafiny ara-pinoana

Izay tian'i Allah hahazo ny hatsarana dia atony mahatakatra ny lafiny ara-pinoana

Tatitra azo avy amin'i Mouawia (R.A) niteny : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny : "Izay tian'i Allah hahazo ny hatsarana dia atony mahatakatra ny lafiny ara-pinoana, ary izaho dia Mpizara fotsiny, fa i Allah no Mpanome, ary tsy hitsahatra velively ity vahoaka ity hitsangana amin'ny raharaha momba ny Allah ka tsy hampahory azy ireo izay mitsipaka azy ireo, mandrapahatongan'ny didin'i Allah ".

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Manambara i Mpaminany (S.W.A) hoe : izay Tian'i Allah hahazo fahasoavana dia omeny fahalalana sy fomba rehetra mety hazahoana ny fahalalana momba ny finoany, ary Izy (S.W.A) no Mpizara amin'ireo rehetra nomen'i Allah azy amin'ny anjara masoandro sy fivelomana ary ny fahalalana rehetra ankoatr'izany. Ary ny tena Mpanome dia Andriamanitra, ary ho an'ny hafa dia fitaovana fotsiny ka tsy mahasoa raha tsy sitrak'i Allah, ary tsy hitsahatra hiorina amin'ny didin'Allah ity vahoaka ity, ary izay manohitra azy dia tsy mahavita manisy ratsy azy, mandra-pahatongan'ny andro farany.

فوائد الحديث

Ny halehibe sy ny hatsaran'ny fahalalana ara-pinoana, ny fianarana azy ary ny famporisihana amin'izany.

Ny fijorona amin'ny fahamarinana dia tsy maintsy misy amin’ity vahoaka ity, ary raha mandao tsy hanao izany ny vondrona iray, dia hisy vondrona hafa hanao izany.

Ny fahatakarana ny finoana dia anisan’ny fitiavan'Allah ilay Tsitoha hanao soa ny mpanompony.

i Mpaminany (S.AW) dia manome araka ny didin'Andriamanitra sy ny sitrapony ihany, fa tsy manana na inona na inona izy.

التصنيفات

Vokatsoan'y fahalalana