Izay mankany amin’ny mpisikidy ka manontany azy ny amin’ny zavatra iray, dia tsy ho voaray ny vavaka Swalat izay nataony mandritra ny efapolo alina”

Izay mankany amin’ny mpisikidy ka manontany azy ny amin’ny zavatra iray, dia tsy ho voaray ny vavaka Swalat izay nataony mandritra ny efapolo alina”

Tatitra azo avy tamin'ireo vadin'ny mpaminany (S.A.W), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : " Izay mankany amin’ny mpisikidy ka manontany azy ny amin’ny zavatra iray, dia tsy ho voaray ny vavaka Swalat izay nataony mandritra ny efapolo alina”.

[Sahih/Authentic.] [Muslim]

الشرح

Mampitandrina i Mpaminany (S.AW) amin'ny fandehanana any amin'ny mpisikidy - izy io dia anarana ankapoben'ny mpisikidy, mpanandro, mpimasy, sy ny toy izany, izay milaza ny fahalalana ny tsy hita maso amin'ny alàlan'ny zavatra ampiasainy -, ary na dia ny fanontaniany fotsiny momba ny zavatra tsy hita dia hahatonga an'Allah hanaisotra azy amin'ny valisoan'ny vavaka nataony nandritra ny efapolo andro. Izany no saziny vokatr'io fahotana lehibe io.

فوائد الحديث

Fandrarana ny fanaovana sikidy, ny fandehanana any amin’ny mpisikidy ary manontany azy ireo ny amin’ny zava-mitranga tsy hita maso.

Mety tsy hahazo valisoa amin’ny fankatoavana ny olona iray ho saziny tamin'ny fahotana nataony.

Tafiditra amin'ny toninandro avokoa ny fijerena azy, ary ny famakiana felatanana sy kaopy - na dia ho fampahafantarana fotsiny aza - dia tafiditra ao anatin'ny hadith. Satria izany rehetra izany dia ampahany amin'ny faminaniana sy ny fitakiana fahalalana ny tsy hita maso.

Raha izany no sazin'ireo mpandeha amin’ny mpisikidy, dia mba ahoana ny sazin'ny mpisikidy?

Ny vavaka Swalat mandritra ny efapolo andro dia manan-kery ary tsy voatery ho soloina, saingy tsy misy valisoa ho azy.