إعدادات العرض
Ny fitenenana Soubohànalloàhi, wale-hamdou Lillàhy, walà ilàha illal-làhoU, wallàho Akbaro, dia tiako lavitra mihoatrany andro niposahan'ny masoandro
Ny fitenenana Soubohànalloàhi, wale-hamdou Lillàhy, walà ilàha illal-làhoU, wallàho Akbaro, dia tiako lavitra mihoatrany andro niposahan'ny masoandro
Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny fitenenana Soubohànalloàhi, wale-hamdou Lillàhy, walà ilàha illal-làhoU, wallàho Akbaro, dia tiako lavitra mihoatrany andro niposahan'ny masoandro".
[Mari-pototra] [Notantaraiin'i Moslim]
الترجمة
العربية Bosanski English فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Türkçe اردو 中文 हिन्दी বাংলা Español Kurdî Hausa Português മലയാളം తెలుగు Kiswahili தமிழ் සිංහල မြန်မာ ไทย Deutsch 日本語 پښتو Tiếng Việt অসমীয়া Shqip Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands ئۇيغۇرچە دری Magyar Italiano ಕನ್ನಡ Кыргызча Lietuvių Română Kinyarwanda नेपाली Српски Soomaali Moore Українська Български Tagalog Wolof Azərbaycan ქართული тоҷикӣ bmالشرح
Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa ny tonombavaka fahatsiarovana an'Andriamanitra amin'ireto teny lehibe ireto dia tsara lavitra noho izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy, ary ireto manaraka ireto izany : " Soubhànallàhi": Fanandratana sy fankalavirana Tompo Allah amin'ny tsy fahampina. " Alhamdo Lillàhy " : dera noho ny toetrany tonga lafatra miaraka amin’ny fitiavana sy ny fanomezam-boninahitra Azy. "Là ilàha illal-Loàhou" : Tsy misy Tompo mendrika Tompoina am-pahamarinana afa-tsy i Allah. " Allah Akbaro " : izay midika hoe : “Lehibe Andriamanitra”: lehibe sy ambony noho ny zavatra rehetra.فوائد الحديث
Mamporisika amin'ny fahatsiarovana an’Allaha, ary tian’Allah mihoatra noho izay rehetra iposahan’ny masoandro ny fahatsiarovana azy.
Famporisihana hanao Zikri betsaka; Noho ny valisoa sy ny fahamendrehany.
Kely ny fahafinaretan’izao tontolo izao ary mandalo ny rendrarendrany.
التصنيفات
Tonombavaka atao